TSELATRA

Kilan’ny afo ny tranon’ny Pretra ao Alarobia Am­batomanga, omaly vao mangiran-dratsy. Fifampikaso­han’ny herinaratra no niandohan’ny firehetana, araka ny loharanom-baovao. May avokoa ny efitra rehetra tao
amin’ilay trano misy rihana.
Mitohy ny fikarohana ilay lehilahy nanolana sady namono ny sakaizany tao Ambatovato, fokontany Antsi­kafoka, kaominin’i Mahambo, distrikan’i Fenerive Atsina­nana. Notsatotsatohan’io lehilahy io antsy teo amin’ny tratrany ilay vehivavy 22 taona, ny sabotsy 7 jona lasa teo.

Partager sur: