Vavan’ny samy manana

 

Hiakatra kianja indray anio ny governemanta sy ny depiote. Amin’ny 10 ora maraina no voalaza fa haneno ny lakolosy ho fanombohan’ny fifanatrehana amin’ny minisitra sy ireo mpanao lalàna… Haharitra roa andro ny fihaonana hoenti-mifanadina izay vita tao anatin’ny herintaona nihaonana farany. Asa, hanao ahoana ny ho fizotry ny lalao fa samy manana ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana ny ekipa roa tonta. Ny solombavambahoaka izay efa miandry kendry tohina ny hamelezana ny andaniny. Ho lasibatry ny vavabe sy ny fingampingana ny minisitra tsy mahametimety andry zalahy eo. Ny kapitenin’ny governemanta rahateo efa tsy maharesy lahatra 100% ny tompon’ny kianja ao Tsimbazaza. Porofon’izany ny fikatsahan’ny sasany hanao fitsipaham-pitokisana. Hangotraka sy hiady ny lalao anatin’ny 48 ora. Maromaro rahateo ny minisitra ananan’ny depiote kakay sy lonilony. Misy ireo izay ho tratran’ny ” fitsaram-bahoaka ” ampahibemaso, hafana vay ny tsikera sy ny fifampian­gana. Tsy ho ferana ny fangatahana karatra mena any amin’ny mpitsara fara-tampon’ny lalao dia ny Filohan’ny Repoblika. Ny fampitandremana am-bava sy ny karatra mavo efa ireny miparitaka etsy sy eroa ireny. Misy ny fandrahonana eny amin’ny tambajotran-tserasera sy an-gazety. Ankoatra ny fifandonana mivantana eny ifotony. Mifampitady sy mifanjinja amin’ny vavan’ny samy manana izao ny mpilalao rehetra. Raha ny fifampihantsiana aloha dia izay mivoaka babany avokoa. Ny havoakan’ny anio no handrasana izay ho fisehony….Ho hita eo ny tohiny!

r.r

Partager sur: