Depiote sy ny governemanta : Tototry ny fitarainana sy fitakiana ireo minisitra

Nirarakompana ny fitarainana sy fitakiana nataon’ireo depiote amin’ny fifanatrehana amin’ny mpikamban’ny governemanta, omaly, teny Tsimbazaza. Anisan’ny nitaraina amin’ny halatra omby ny depioten’i Bekily. Miisa 3 000 ireo omby very noho ny tsy fandriampahalemana.

“Takinay ny hamongorana ny asan-dahalo”, hoy izy. Nahitsy koa ny depioten’Ambositra amin’ny haratsian’ny lalana ka miteraka tsy fandriampahalemana. Nitovian’ireo depiote ny hampidirana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra Fram na koa ireo tokony hiasa amin’ireo foibe fanofanana arakasa. Ny olan’ny rano sy ny jiro amin’ny ankamaroan’ireo distrika. Nitaraina amin’ny vidim-panafody sy ny olan’ny politikan’ny fanabeazam-pirenena kosa ny depioten’Ambo­hi­ma­narina. Ny olan’ny va­tsim-pianarana sy ny fisamborana ny mpianatra. “Aoka hi­ala izay tsy mahavita azy”, hoy izy.
Notakin’ny depioten’Ava­ra­drano kosa ny hamerenana ny fahefana feno ny ben’ny Tanàna amin’ny fitakiana ny hetran-trano sy tany mba ho loharanom-bolan’ny kaominina.
Nohitsin’ny depioten’Antsa­­lova kosa ireo minisitra sasany manidy varavarana amin’ireo depiote na koa tsy mandray antso an-telefaonina.
Anisan’ny nitarainan’ny de­pioten’Antalaha ny hijerena ny vidin’ny lavanila.
Nivatravatra kosa ny de­piote Gascar Fenosoa niangavy ny amin’ny hampitsaharan’ny filoham-pirenena ny fampanantenana. “Tanteraho aloha ny efa nambara… Ndao hifampitso-drano isika praiminisitra raha tsy vitanareo intsony… Vo­nona izahay hitarika ny vahoaka eny an-dalambe ha­nongana ny minisitra amin’
izao olan’ny jiro sy ny rano izao”, hoy izy. Notakiny koa ny hanovana ny lalàna ka hifidianana ny sefo fokontany. Ampa­hany amin’ireo nandray fitenenana ireo ary mbola hitohy, anio izany.

Synèse R.

Partager sur: