FANTINA sy FINTINA

Mitaky ny fametraham-pialan’ny mpitondra ny depiote Rajerison Antoine, araka ny fanehoan-keviny, omaly, teny Tsimbazaza. Nohitsiny fa potika ny tanindrazana noho ny tsy fahaiza-mitantana. “Tsy tonga any amin’ny vahoaka ny tamberin’andraikitra fa lasa any amin’ireo nametraka ny fahefana”, hoy izy.
Hihaona amin’ireo mpomba sy mpanohana azy, ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, ao Toamasina, rahampitso. Hotanterahina ao Ambodi­soanam­bo Bazaribe izany, nanentanana ny vahoaka any an-toerana. Anisan’izany ireo fikambanana sy antoko politika, toy ny HPR, TMMR, FMMR ary ireo olon-tsotra mpanohana.
Hihaona amin’ny Papa Leon XIV ireo evekan’i Madagasikara ny alatsinainy ho avy izao, araka ny fandaharam-potoana. Manatanteraka fivahinianana masina any Roma amin’izao fotoana izao ireto eveka ireto. Nan­ka­laza ny Sorona masina tao amin’ny Basilique Saint Jean de Latran izy ireo. Mitarika ireo eveka ny Nonce Apostolique, Mgr Tomazs Grysa.
Nolanian’ireo loholona, omaly, ny tolo-dalàna fehizoro ny fitondrana ankapoben’ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka ho fampitoviana ny lahy sy ny vavy amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana. Nangata­ka lalàna mifehy ny fanajana ny miralenta izy ireo ary miainga sy hapetraka eny anivon’ny antoko politika ny fanajana ny miralenta.

Partager sur: