“Fetin’ny Mozika ” – Antananarivo: Hosokafan’ny Mozikara hatrany Andohatapenaka

Hiverina ny hetsika anisan’ny goavana indrindra fikarakaran’ny AFT. Hosokafan’ny Mozikara hatrany izany, mialoha ny seho goavambe hataon-dry Agrad sy Ceasar.

Taona vitsivitsy izay no tsy nandray ny “Fetin’ny Mozika” fikarakaran’ny Alliance Française ny teto Antananarivo. Nivoaka kely ny Renivohitra hatrany ny fanamarihana teo aloha. Nampa­hafantarina omaly, tetsy amin’ ny foiben’ny Yas Madagascar kosa, fa hatao eny amin’ny Canal Olympia Andohatape­naka, ny “Fetin’ny Mozika” amin’ity taona ity. Ny tontolo andron’ny 2 jona mazava loatra, ka hiverina ihany koa ny Mozikara amin’io fotoana io. Sehatra mandehandeha am­bony fiarabe izy ity, izay ara­hin’ireo mpanao “carnaval” mahatratra 300, miainga eo amin’ny AFT Andavamamba, mandalo ny Cenam 67 Ha, Ampasika, Andohatapenaka hatrany amin’ny Canal Olym­pia.
Efa miandry azy ireo ny sehatra goavana amin’io fotoana io, hafanain’ireo mpanakanto malaza toa an-dry Ceasar sy Agrad. Eo koa ireo mpikosoka kapila toa an’i DJ Mimie sy Jannia Blast’In. Se­hatra ho an’ireo mpanakanto vao misondrotra ihany koa izany. Amin’ny maha “Fetin’ny mozika” azy, maimaimpoana ny seho. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny AFT sy ireo mpanohana toy ny Yas, satria misy sarany ny fikarakarana.
Tsiahivina hatrany fa efa an-taonany maro no nanamarika ny “Fetin’ny Mozika” isaky ny 21 jona isika eto Madagasikara. Fanaon’ny firenena maro maneran-tany izy ity, hankalazana ny maha tsy misy fefy ny mozika, izay fitaovan-tserasera iraisan’ny zanak’olombelona ihany koa. Sehatra iombonan’ny mpanakanto vao misondrotra sy ireo efa kalaza, ho fiombonam-po sy fanahy amin’ireo mpankafy mozika, mba ho maimaimpoana hatrany ny seho.

Zo ny Aina

Partager sur: