Nampahafantarin’ny Autorité de régulation des téchnologies de communication na Artec ny vovonona ana habaka «cartoréseau interactive». Fitaovana ahafahan’ny besinimaro mahita amin’ny fotoana rehetra ny fandrakofana finday manerana ny Nosy izay azo jerena ao amin’ny tranokala https://www.artec.mg/cartoreseau/.
Anisan’ny namolavola ity fitaovana ity ireo ekipa teknikan’ny Artec. Tanjona ny hampahafantarana ny rehetra ny kalitaon’ny tambajotra amin’ny faritra misy azy sy hanohanana ny fanapahan-kevitry ny tomponandraikitra sy ireo mpandraharaha misehatra amin’ny fifandraisan-davitra hanatsarana ny niomerika. Noho izany, afaka mampitaha ny fandrakofana ho an’ny tambajotra 2G, 3G, 4G ary 5G ny mpanjifa. Afaka mijery ihany koa ny kalitaon’ny tambajotra amina faritra iray sy ireo tolotra samihafa ihany koa. «Fanavaozana mankany amin’ny mangarahara sy fahombiazana ity napetraka ity», hoy ny tale jeneralin’ny Artec, Rabanoson Franck. Notohizany fa manampy hampahafantatra ny mpanjifa ny tontolon’ny fifandraisan-davitra ity tolotra vaovao ity.
Henintsoa