Gazety boky Le Radar : Mitondra avo ny feon’ny toekarena

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia teo ny gazety boky Le Radar tontosain’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria France-Madagascar (CCFIM). «Tan­jona ny hampahafantarana ny rehetra ny zava-misy marina ara-toekarena», hoy ny tale lefitry ny CCIFM, Razafin­drabe Alain. Hita ao anatin’ity gazety boky mivoaka isaky ny telo volana ity avokoa ireo lalam-pihariana samihafa. Hisokatra sy hanakaiky bebe kokoa amin’ireo mpandraharaha izy. Hanohana ihany koa ireo mpanapa-kevitra ara-toekarena amin’ireo famakafakana ataony ny Le Radar. Noho izany, fitaovam-panaraha-maso stratejika sy mijery ireo fanamby ara-toekarena ity gazety boky ity. Hasongadina manokana ny fivoaran’ny toekarena eto an-toerana, aty amin’ny ranomasimbe In­dianina ary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Ankoatra izay, hisitraka ny endrika boky niomerika avokoa ireo firenena miisa 86 mpikamban’ny CCI. Hanampy ny mpianatra manaraka ny lalam-piofanana momba ny varotra izy io, amin’ny alalan’ireo fahalalana zarainy. Hita ao anatin’izany ny anjara andraikitry ny CCIFM. «Ham­pahafantatra ireo soa fanararaotra eto Madagasikara ny Le Radar. Noho izany, hangatahana ny hampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Frantsa», hoy ny masoivo­hon’i Frantsa eto Madagasi­kara, Arnaud Guillois.

Henintsoa

Partager sur: