INDRAY MIJERY

Ao anatin’ny hetsika fanamarihana ny faha-50 taona niorenany ny Fofifa. Nisy ny lanonana roa sosona teny an-toerana, tamin’ity herinandro ity. Notokana­na ny trano fivoriana lehibe «Amphithéâtre » nohavaozina. Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy koa ny lahadinika siantifika mahakasika ny fikarohana momba ny fambolena, ho fampandrosoana maharitra mitondra ny lohahevitra “Regards croisés sur la recherche agricole d’hier, aujourd’hui et demain pour le développement durable de Madagascar”.

Hahazo vahana hatrany ny alondrano avy atsimo andrefana any amin’ny morontsiraka afovoany sy atsimo andrefana, atsimo ary atsinanan’ny Nosy iray manontolo. Hahery be ny ranomasina eo anelanelan’i Maintirano sy Morombe hatrany Taolagnaro.

Mpianatra avy amin’ny ambaratonga faharoa, miisa 24, avy ao Mahajanga, no nivoaka tamin’ny fom­ba ofisialy sy nandray ny mari-pahaizana tamin’ity herinandro ity. Nahavita ny English Access Microscho­lar­ship izy ireo. Naharitra 2 taona ny fiofanana narahan’ireto mpianatra ireto izay sady mahafehy tsara ny teny anglisy no nahazo traikefa amin’ny fahaiza-mitarika.

Nisy ny hetsika fizahana maso maimaimpoana natao tamin’ireo ankizy ao amin’ny akany Fitahiana Ano­sizato Atsinanana I. Niarahana tamin’ny Adventist Inter­national Eye Services ny hetsika. Tafiditra hatrany amin’ny fanamarihana ny iray volan’ny ankizy izao fizahana maso maimaimpoana izao.

Partager sur: