Nosantarina, omaly, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany, andiany faha-11, (ITM) sy ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny asa tanana (IHS), andiany faharoa.
Nitarika ny fotoana ny filoha Rajoelina Andry. Maherin’ny 500 ny mpandray anjara, ahitana ireo mpisehatra amin’ny fizahantany sy asa tanana isan-tsokajiny. Firenena nasaina manokana i Maraoka, notarihin’ny minisitry ny Fizahantany maraokanina.
Nasongadin’ny Filoham-pirenena fa laharam-pahamehan’ny fanjakana ny fizahantany sy ny asa tanana. Anisan’izany ny hananganana hotely lehibe kintana 5 miisa dimy amin’ity taona 2025 ity. Eo koa ny fampitomboana ny sidina ana habakabaka iraisam-pirenena, ny fananganana Tanànan’ny asa tanana eny Ivato, sns. Mahatratra 2 tapitrisa ny mivelona amin’ny asa tanana, misy sampan’asa 14 sy karazany 164.
Notsindrin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA), Dewa Viviane, fa fotoana hisongadinan’i Madagasikara ao amin’ireo Nosy aty anatin’ny ranomasimbe Indianina, «Îles Vanilles» (Madagasikara, Seychelles, Kaomoro, Maorisy, La Réunon, Mayotte), ity fotoana ity. Mifameno ny fizahantany sy ny asa tanana. Ifandimbiasan’ny taranaka ny talenta, ny kolontsaina, ny asa tanana, toy ny rafitra sy ny sokitra, ny tenona sy ny rary, ny zaitra, ny fandrahoan-tsakafo, sns, izay mahaliana ny mpizahatany.
Sehatra fahatelo nampiditra devizy
Tafakatra 38 tapitrisa euros ny vokatra asa tanana naondran’i Madagasikara tany ivelany ny taona 2024, raha 17 tapitrisa euros ny taona 2019. Sehatra fahatelo nampiditra vola vahiny eto amintsika ny fizahantany, nitentina 780 tapitrisa dolara, nisian’ny vahiny mpitsidika miisa 315 000 tamin’ny taon-dasa.
Haharitra hatramin’ny 15 jona ho avy izao ny ITM sy ny IHS eny Ivato. Maro ny hetsika, toy ny famelabelaran-kevitra, fikarohana mpiara-miombon’antoka mivantana (B2B), sns. Mikarakara ny ITM-IHM ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany (ONTM), eo ambany fiahian’ny minisitera MTA. Anisan’ny manohana ny hetsika ny orinasa Ultima-media.
Njaka Andriantefiarinesy