Jiolahy ikoizana : Maty voatifitry ny polisy i Koto

Mitohy ny famongorana ny mpanao ratsy. Jiolahy iray antsoina hoe i Koto, malaza amin’ny fanendahana sy fampiasana zava-maranitra, lavon’ny polisy tetsy Anosizato, afakomaly.

Nirefodrefotra ny basy tetsy Anosizato Atsina­nana, afakomaly hariva tamin’ny 7 ora sy sasany. Maty voatifitry ny polisy i Koto, jiolahy malaza amin’ny fanendahana sy fampiasana zava-maranitra eny Anosibe sy ny manodidina. Nifanehatra ta­min’ny Polisy avy amin’ny Compag­nie urbaine d’intervention (CUI) sy ny Unité d’intervention rapide (UIR) nanao fanamiana sivily izy, rehefa avy nanendaka mpandeha an-tongotra hamonjy fodiana teny Anosibe. Tsy nanaiky nosamborina fa nanao tari-dositra avy hatrany rehefa nasaina nijanona. Raikitra ny fifanenjehana sy fifanjevoana nandritra izany. Nitsoaka tany anelakelan-trano ilay mpanendaka ary tapi-dalan-kaleha rehefa ton­ga teny Anosizato Atsinanana. Nampiasainy ny antsy lavalela teny aminy ary saika hamely izany an’ireo polisy. Niaro tena, araka izany, ny mpitandro filaminana ka nitifitra. Vokany, maty noho ny ratra nahazo azy ity olon-dratsy ity.
Naharay angom-baovao avy amin’ny olon-tsotra mahakasika ireo asa ratsy eny an-toerana ny polisy. Nanao ny paikady rehetra taorian’izay ary nidina ifotony nanao ny fa­naraha-maso ka izao nifanehatra tamin’ity olon-dratsy ity izao.

Mpamerin-keloka

Anisan’ny jiolahy mampiaiky ny mponina amin’ny fanendahana ity maty voatifitra ity. Mpamerin-keloka matetika ihany koa izy satria vao nivoaka ny fonja tamin’ny volana de­sambra lasa teo. Voarohi­rohy sy nigadra noho ny resaka fa­nendahana izy tamin’izany ary izao namerin-keloka izao sahady. Tsy mifidy andro intsony fa manao ny asa ratsiny foana ny jiolahy. Anisan’ny misedra sy lasibatr’izany ny olona mody alina eny Anosibe sy ny manodidina. Mitohy ny fikarohana sy famongorana ny mpanao ratsy hafa eto amin’ny Nosy. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy fanendahana eto an-dRenivohitra izao hetsika izao.

Mino

Partager sur: