Kaominina Antanimbary: Nisitraka tolotra fahasalamana faobe

Natao tao amin’ny kaominina Antanimbary ny fitsaboana manakaiky vahoaka, ny faran’ny herinandro teo. Nanokafana ny forazaza faobe ho an’ny faritra Betsiboka, miaraka amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana, koa izany. Maro ny tolotra nositrahin’ny vahoaka, toy ny forazaza faobe, fijerena maso, fitsaboana tenda sy orona ary sofina, fanalana nify. Nanampy ireo ny kinésithérapie, fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, fanaovam-baksiny ary ny fitiliana diabète, VIH/Sida, tosidra, tsy fanjarian-tsakafo.
Nambaran’ny talem-paritry ny Fahasalamana fa mandavantaona ireo tolotra maro omen’ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka. Novoizina ihany koa ny maha zava-dehibe ny fisorohana. Afapo ny vahoaka. Nivoitra izany tamin’ny alalan’ny fandraisam-pitenenan’ny ben’ny Tanàna, nisaotra ny fitondram-panjakana amin’ny hetsika fikarakarana rehetra. Niantefa tamin’ny mponina ao Antanimbary, Maevatanàna ny hetsika. Nanampy ny Akany Aintsoa, ny toby fivarotam-panafody ao Antanimbary sy Bemokotra.

Vonjy

Partager sur: