Nampiasa zava-maranitra : Lehilahy namono olona notanana am-ponja

Notanana am-ponja taorian’ny fitsarana azy afakomaly, ny lehilahy namono olona tao amin’ny kaominina Andovo­ran­to, distrikan’i Brickaville. Nokapakapain’io lehilahy na­havanon-doza io tamin’ny antsy teo amin’ny lohany ny raim-pianakaviana iray 70 taona. Avy naka fary tany an-tsaha ity farany, ny 21 mey lasa teo tamin’ny 1 ora atoandro, nifanena izy roa lahy mianaka ireo. Tsy nifankahazo hevitra ary nifamaly ny roa tonta, araka ny fanazavan’ny mpiray tanàna. Tsy nisy alaharo, nofirain’ilay tovolahy vao 19 taona tamin’ny antsy teny aminy avy hatrany ilay lehilahy 70 taona. Dian’antsy miisa folo nataony tamin’ny lohan’io raim-pianakaviana io. Ni­tsoaka izy taorian’ny habibiana nataony. Namoy ny ainy vokatry ny daroka nahazo azy ny lasibatra. Nifampitadiavan’ ny mpitandro filaminana ny nahavanon-doza. Voasambo­try izy ka nanampatra daroka sy vono noho ny hatezerana ny fokonolona. Nosorohan’ny zandary ny fisian’ny fitsaram-bahoaka ka nentina nihazo ny birao io lehilahy voasambotra io. Natao famotorana ka niaiky ny helony. Natolotra ny fampanoavana ary naiditra vonjimaika any am-ponja ity farany.

Sajo/Tsiferana R.

Partager sur: