Politika ankapoben’ny fanjakana : Tanjona lehibe ny hampihena ny fahantrana

“Tanjona lehibe ny hanatrarana ny fahataran’ny fandrosoana eto amin’ny firenena amin’ny alalan’ny fampiakarana ny harin-karena faobe, ny famoronana asa, ny fanatsarana ny fahefa-mividin’ny va­hoaka, ny famehezana ny fi­tombon’ny mponina, ary ny fa­natsarana ny fitantanana mba hampihena tokoa ny fahantrana amin’ny fomba maharitra.” Io ny nambaran’ny Praimini­sitra Ntsay Christian tamin’ny fifanatrehan’ny Antenimieram­pi­re­nena sy ny governemanta teny Tsimbazaza, omaly, na­naovany tatitra ny fanatanterahana ny Politika ankaponben’ny fanjakana (PGE). Mitana anjara toerana lehibe amin’ny PGE ny ady amin’ny fahantrana. Momba ny sosialim-ba­hoaka: eo ny tetikasa Vatsin’ ankohonana, ny Asa avotra mirindra, ny Asa vonjy voina, ny asa fanorenana fotodrafitrasa maharitra mitondra ho amin’ny fahavitan-tena. Anko­honana marefo 1 170 000 no kendrena hisitraka ny tetikasa, 2024-marsa 2027.
Ankohanana marefo 193 000 àry no hampisitrahana ny tetikasa manomboka izao. Ho tafakatra 1 233 000 isan-taona no hisitraka ny tetikasa Haraton’aina hatramin’ny 2027. Ny tetikasa tsimbina nanomboka tamin’ny 9 aogositra 2024, ankohonana marefo 925 600 no misitraka azy. Tanjona ny hanalefahana ny fiantraikan’ny vidim-piainana eo amin’ny tokantrano marefo. Tokantrano 657 000 no efa nahazo tohana ara-bola 250 000 Ar atao indroa mandoa. Misy tokantrano fanampiny 258 600 no misitraka ny tolotra. Ny fandaharanasa Zara mira, mikendry ny fiahiana sosialy ara-drariny ary mi­tsinjo manokana ny vehivavy mitondra vohoka sy ny ankizy ary ny olona manana fahasembanana. Tanjona ny hampisitraka fiahiana sosialy ny 15% tsy mahazo Haraton’aina nefa manana ankizy madinika sy ireo manana fahasembanana hatramin’ny 2030.

R. Nd

Partager sur: