“Vendredi 13”, an’i Silo. Ny mpankafy rehetra efa mahalala fa fotoana ifanomezan’i Silo amin’ny mpankafy azy ny zoma faha-13, toy ny anio. Eny amin’ny Piment Café Behoririka ny fotoana, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany. Silo sy ny mozika, Silo hamerina ny SDF ary Silo hanome voninahitra ny Mahaleo no indray hiaraka amin’ity zoma faha-13, tokana mandritra ny taona ity.
Hahemotra ilay fampisehoana “Dada, milay ianao”. Nanapa-kevitra ny mpikarakara sy ireo mpanakanto fa hofoanana aloha ilay seho tokony hatao ny alahady 15 jona izao, etsy Antsahamanitra. Seho saika hotontosain’i Melky, Njara Marcel ary Nate Tex izy ity. Antony ara-teknika no nambara, fa ny azo antoka dia teo koa ny fahataran’ny fanomanana sy ny serasera mahakasika ny seho. Miandry ny fotoana manaraka indray ireo mpankafy.
Mitohy ny “Hadimiana Sandratra”. Taorian’ny nitondrana an-tsehatra ny tantara an’onjampeo, hitohy amin’ny velakevitra hataon’i Ridza Ngaly indray ny anio, etsy amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy. “Ny maha Malagasy tarafina ao amin’ny asa soratr’i Randja Zanamihoatra” no hovelabelarin’ity mpampianatra, mpanoratra ary poeta ity, mandritra izany.
Mamina eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Mpanakanto anisan’ireo mametraka ny diany mankany amin’ny laza, mitana ny fototra maha Malagasy ary mikatsaka koa ny kanto hatrany i Mamina. Hizara izay noketrehany ela izy anio, amin’ny 8 ora alina. Hotronin’i Fetrakely eo amin’ny gitara sy i Tonny Toufa eo amin’ny zavamaneno ravaka.