Tsarao amin’ny asa  

 

Mba mahavariana ny manaraka ilay fifanatrehana eo amin’ny governemanta sy ny depiote, omaly. Andaniny, tena mambabo ny fihainoana ny tatitry ny Praiminisitra, Ntsay Chrsitian. Moa tsy efa paradisakely ilay Madaga­sikara. Nahafeno 57 pejy be izao ny tahirin-kevitra mandrafitra ny asa vita raha mihoatra amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana. Mahavelombolo ny ezaka vita tao anatin’ny herintaona. Be dia be anefa ny ezaka tsy maintsy mbola hatao. Maro rahateo ny fangatahan’ny solombavambahoaka mila homena fahafaham-po. Voakasik’ izany ny fampitaovana, ny fotodrafitrasa, ary ny tetikasam-pampandrosoana isam-paritra. Samy manezakezaka ny mitondra ny feon’ny vahoakany ny isaky ny distrika. Indrisy, mifanindran-dalana amin’izay, misy fomba fanaovana politika maloto mbola tsy hiova mihitsy ato ho ato. Sanatrian’ny vava, toa miverina ny resaka ” malety”. Honohono niely tao Tsimbazaza, omaly izany. Asa iza no manome an’iza aloha? Mitsitokotoko eny an-tsisin’ny kianja eny ny depiote sasany. Misy ny mimenomenona fa tsy voaantso tamin’ny fampivorivorian-dranona na i ranona hono. Eo dia samy mifamendrofendro eo!  Toa nanaporofo ny fisian-draha tsy mazava ihany koa izato fanaovan’ny solombavambahoaka sasany ny fanamarihana amin’ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Mangi­ny fotsiny ny fikendrena minisitra iray manokana mihitsy, miaraka amin’ny fomba fijery mitanila. Ny an’ny sasany aza izao, mivadika ho fankahalana ankitsirano. Ny tena mampanongo tena dia ilay fametrahana fanontaniana, na fanamarihana mitovy sy hita ho nivoaka tamin’olona iray, mpibaiko io.  Mibirioka amin’ny tsy tokony ho izy ilay fifanatrehana. Tsy tsaraina amin’ny asany ilay mpa­natanteraka fa pempoina amin’ny halako bika tsy tiako tarehy.

r.r

Partager sur: