Taksiborosy sy sarety nifandona teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, tao Ambohimandroso, omaly maraina. Omby efatra maty. Simba tanteraka ny lohan’ny fiara tra-doza sy ny sarety.
Efa-dahy namono olona voasambotry ny zandary tao Amboanara, kaominina Nosy Be Hell Ville, afakomaly. Nokarohina taorian’ny tranga vonoan’olona nahatsiravina, ny sabotsy 7 jona teo, ireo olon-dratsy ireo.