Hitazonana ny vokatra efa azo tamin’ny ezaka hampihenana ny isan’ny ankizy miasa maneran-tany, manao antso amin’ny fanjakana ny OIT sy ny Unicef. Ny hampiakarana ny sorabola atokana ho an’ny fiahiana sosialy ho an’ny fianakaviana sahirana manan-janaka tokony hianatra ny fitakian’izy ireo.
Efa nihena amin’ny antsasany ny isan’ny ankizy miasa ny fiandohan’ny taonjato faha-21 fa tsy tratra kosa ny tanjona napetraka hanafoanana izany hatramin’ity taona ity. 138 tapitrisa ny ankizy niasa ka ny 54 tapitrisa amin’ ireo manao asa mitera-doza ho an’ny fahasalamany sy ny fivoarany, nandritra ny taona 2024, araka ny tombana navoakan’ny OIT sy ny Unicef. Nandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ ny asan’ny ankizy isaky ny 12 jona no nampahafantarana izany.
Eto amintsika, araka ny fanadihadiana MICS 2018, ny antsasa-manilan’ny zaza 5 ka hatramin’ny 17 taona, miasa avokoa. Voakasika kokoa ny zazalahy raha mitaha amin’ny zazavavy. Monina eny ambanivohitra ny maro anisa amin’ izany. Ireo ankizy anatin’ny fianakaviana sahirana ara-pivelomana no mirotsaka kokoa amin’ izany.
Voalazan’ny fanadihadiana ihany fa miasa amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ny 4% amin’ny zaza malagasy izay sokajiana ho mampidi-doza. Tamin’ity taona ity, nanohana ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana tamin’ny famolavolana ny Drafitrasam-pirenena faharoa momba ny ady amin’ny fampiasana ankizy, ny taona 2025 hatramin’ny 2040, ny OIT sy ny Unicef.
« Misy ny ezaka vita maneran-tany fa tena maika ny fanohanana ny ray aman-dreny hahazo asa mendrika ahafahany mamelona ny ankohonany ka tsy hiasa hampitombo ny vola miditra an-tokantrano ny kilonga fa hianatra”, hoy ny tale jeneralin’ny OIT, Gilbert F.Houngbo.
Zava-dehibe ny fisitrahan’ny ankizy fampianarana maimaimpoana manana ny kalitao sy ny fahazoan’ny olon-dehibe asa sahaza mahavelona azy hampahomby ny ezaka vita.
Vonjy