Hifarana rahampitso alahady, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, vehivavy (Can 2025) ao anatin’ny sokajy “performance”. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra amin’ ity andro fahatelo ity ny fihaonan’ny Makis Ladies de Madagascar sy ny Springboks Afrika Atsimo. Hanala vela amin-dry zareo Afrikanina tatsimo ny vehivavy malagasy amin’ity. Hatreto, tsy mbola nandresy ny Springboks mihitsy ny Makis Ladies. Fanintelony amin’izao ny fihaonan’ ny roa tonta saingy resy hatrany ny andriambavilanitra malagasy. Hiezaka hanohitra ireto andrarezina aty afrika ity ny Makis Ladies amin’ity ary te hivoaka amin’ny varavarana lehibe. Raha tsiahivina, taorian’ny fahavitan’ny roa andro voalohany amin’ity Can 2025 ity, resy hatrany ny Malagasy. Mitazona ny laharana farany vonjimaika izany ny Makis Ladies. Raha ara-taratasy, manatombo ny Afrikanina tatsimo.
Heverin’ny rehetra fa hanitsy ireo lesoka rehetra tsy nety ny mpanazatra ary hampiseho endri-dalao hafa indray rahampitso. Ankoatra izay, ho toy ny famaranana kely ihany koa ny fihaonan’ny The Cranes Ouganda sy ny an’ny Liona an’i Kenya. Hiady ny laharana faharoa ny roa tonta. Samy nahazo fandresena iray sy faharesena iray avy mantsy ny roa tonta.
Tompondaka