Nahintsan’i Angola teo amin’ny dingan’ny manasa-dalan’ny “Cosafa 2025”, atao any Afrika Atsimo, ny Barea. Lavo tamin’ny isa 4 no ho 1.
Tsy nahovoka! Resy 4 no ho 1 teo anatrehan’i Angola, ny Barea de Madagascar, nandritra ny lalao manasa-dalan’ny “Cosafa 2025”, taranja baolina kitra, izay notontosaina tao amin’ny Kianja Toyata Stadium Afrika Atsimo, omaly. Miady ny medaly alimo sisa ny ekipa nasionaly malagasy amin’ity fifaninanana aty amin’ny faritra atsimo ity.
Raha hiverenana kely ny fifanandrinan’ny roa tonta, tsy nahita fanafihana mihitsy nandritra ny 25 minitra nanombohan’ny lalao, ary nosahiranin’ ireo angoley ny Malagasy. Porofon’izany, nahazo “penalty” izy ireo, rehefa nanao fahadisoana i Mamisoa, ny minitra faha-18. Nahatafiditra baolina tamin’izany, i Laurindo, lohalaharana angolais. Taorian’io, ny minitra faha-31, nahazo “penalty” ny Malagasy, saingy nolavin’ny Var. Sivy minitra taorian’io, nitohy indray ny fanafihana tsy ankiato nataon’i Angola, ka nahazo “penalty”, indray ry zareo, rehefa tratra nandray baolina tao anaty faritra tsy azo ivalozana i Nicolas, vodilaharana Barea. Mbola nampian’i Laurindo, ihany moa ny isa teny amin’ny solaitrabe. Na dia efa azon’i Toldo aza ny dakan’ity lohalaharana ity, mbola ity angoley ity ihany no nitaty ilay baolina votsotra tamin’izany, ka nanakobana ny harato. Io isa io, nentina niala sasatra, resy 2 no ho 0, ny Barea.
Nanova paikady nefa…
Niezaka nanova paikady ny mpanazatra Rakotondrabe Romuald Felix, tamin’ny fidirana faharoa. Anisan’izany ny fanoloana an’i Nicolas sy i Dax ary i Christiano, izay nosoloina an’i Fenohasina Gilles sy i Gregasy ary i Onja.
Tsy nahitam-bokany nefa izany, mbola nanakobana ny harato indray i Ambrosini, faha-73 minitra, ary mbola nampitombo io isa io ihany koa ny angoley, ny faha-83 minitra.
Teo amin’ny faha-90 minitra, nampihena ny isa i Gregasy, Malagasy mpilalao. Niafara tamin’ny isa 4 no ho 1 ny lalao, nandresy i Angola.
Hatao ny alahady ho avy izao, amin’ny 1 ora atoandro, moa ny lalao ady laharana fahatelo.
Fitia Randria