Fahavitan-tena ara-tsakafo: Vahaolana ny fambolena vary safiotra sy ny Agripole

Anisan’ny naverimberin’ny solombavambahoaka ny hanapariahana ny fambolena vary safiotra manerana ny Nosy. Eo koa ny fambolena vaventy, ny tetikasa Agropole.

Maro ny solombavambahoaka nankasitraka ny ezaky ny Sekre­teram-panjakana misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo (Sesa), toa an-dRakotomalala Miarin­tsoa, depiote voafidy tao Am­batolampy, nandritra ny fihaonan’ny governemanta sy ny Antenimierampirenena, ny 12 sy 13 jona teo. Ho an-dRana­rivelo Lucien, voafidy tany Tsi­roanomandidy, izay efa minisitry ny Fambolena teo aloha, « tokony hananganana ny tetikasa Agropole ny faritra Bon­golava, satria hanome ainga vao ny tontolo ambanivohitra hampivoatra ny famokarana ». Nisaotra ny Sesa, anisan’ny nisafidy an’i Vaki­nankaratra ity tetikasa ity, ny depiote Antsi­rabe I, Ra­za­fimaro Désiré. Nankasi­trahin-dRatsivahiny Andry, voafidy tao Atsimon­drano, ny minisitra Razanama­hefa Ta­hian’Ny Avo, tamin’ny andrana fambolena vary safiotra natao tany an-toerana. Nangatahiny ny hanohizana azy amin’ny taom-pambolena manaraka, satria nahomby ity tetikasan’ny filoha Rajoelina Andry ity.

Maro ny distrika mangataka ny tetikasa
Notsipihin’ny depioten’i Fenoarivo Atsinanana, fa efa miova ny fomba fambolena any an-toerana satria maro ny tantsaha mampiasa ny ma­somboly vary safiotra, manamarina ny fandrosoana. No­marihin’ny depioten’Amba­tolampy, Razafimahefa Tiana­rivelo, fa « efa nanohana an’ Am­batolampy Razanama­hefa Tahian’Ny Avo na tsy mbola minisitra aza ».
Nilaza Rafidimanana Nar­son, voafidy tany Antanifotsy, fa « tsy maintsy atao ara-potoana ny fambolena ny vary safiotra mba hahazoana vokatra tsara ». Nangataka fanazavana ny fizarana masomboly sy zezika ny depioten’Am­bo­himahasoa.
Ankoatra ireo, maro ny solombavambahoaka mangataka ny tetikasan’ny Sesa, toa an’Ankazobe, Ifanadiana, sns. Efa nisitraka azy ny any Am­batofinandrahana sy An­tsi­rabe II, Morondava, … Nam­pa­hatsiahy ny depiote Anta­na­narivo VI, fa manana ny lemaka Betsimitatatra izay mila harenina ny tohodrano. Toraka izany koa ny any Soa­lala.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: