Fanetribe! 

 

Nihaona nandritra ny roa andro ny solombavambahoaka sy ny governemanta. Roa andro noheverina fa mba hamelona ny fanantenan’ny Malagasy izay miandrandra vokatra amin’ny mpitondra. Inona akory no teo? Toa tsy mba misy zavatra mivaingana azo raisina ireto depiote. Lany tamin’ny “omeo omeo foana” toa saka ny efatra minitra natokana ho azy ireo. Rehefa tsy manan-kangatahana indray ny sasany dia lany tamin’ny fitsike­rana sy fanenjehana ny mpiray fiadiana.  Asa tsy hifoha mandrakizay ny Amiraly Didier Ratsiraka, izay nilaza fahavelony fa fohazy izy rehefa mandroso i Madagasi­kara. Tena mahakivy ny fivoaran’ny fanaovana politika eto Madagasikara. Tsy misy etika sy tsy misy fitiavana ilay taninjanaka izany. Ny tenako ny tenako ihany. Tsy tahotra tsy henatra ny olom-boafidy, tsy mahasahy ma­nankiana ny tsy manjary fa misolelaka amin’ny mpanatanteraka. Tratran’ilay tolotolotra kely, famadihan-dela sy tampimtampi-maso ny tantera-pahazavana. Izay ny mahakasika ny mpanao lalàna, noheverina ho mpitondra ny tenin’ny vahoaka. Mbola lavitra ny afo ihany koa ny kitay ho an’ny minisitra sasantsasany. Heno teny amin’ny lalantsaran’ny lapa fa nisy koa ireo nahavita “nanambitamby” solombavambahoaka mba hanasohaso sy handokadoka azy mandritra ilay fametrahana fanontaniana sy ny fanaovana fanamarihana. Nisy ny minisitera izay ma­tin’ny kiana andro vitsy nialoha ny fihaonana. Tampoka, lasa anjely latsaka an-tany teo indray.  Tsy mbola ato ho ato mihitsy ny hisian’ny Malagasy mpitondra hahatsapa tena fa tsy mahafehy ny asany, na hiaiky fa tsy mamim-bahoaka. Voatakalo vola ny tsy fahombiazany! Dia indroa na intelo mahita ny maizina ilay Malagasy mandinika. Halentiky ny mpitondra azy any anatin’ny lavaka mangi­tsokitsoky ny hirifiry.

r.r

Partager sur: