Nambaran’ny Prefet, ny Jly Ravelonarivo Angelo, omaly, fa tsy afaka manome alalana ireo hetsika politika rehetra ny prefektioran’Antananarivo amin’ izao mialoha ny fankalazana ny fetim-pirenena izao. Hentitra ny fanambarany. “Tsy nahafeno fepetra hahafahana manao fangatahana hihetsika ny fikambanan’ ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ka nolavina”, hoy izy.
Samy nitaky ny hanaovana ny fifidianana filohan’ny fokontany ny maro amin’izao fifanatrehan’ny depiote tamin’ny governemanta, omaly sy afakomaly, izao. Takin’izy ireo koa ny hanomezana ny tambin-karaman’ireo mpitantana eny ifotony ireo noho ny tsy fandraisan’izy ireo izany efa volana maro. Anisan’izany ny depioten’i Faratsiho sy Arivonimamo.
Nohitrikitrihin’ny depioten’i Betroka fa miavonavona ny minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajimirindra, ny paositra. Mampahantra koa ny kolikoly manjaka eto, araka ny nambaran’ny depiote Ratsiraka Roland. Mitaky ny hametrahana PDS ao Tanambao Manatsara, Vatomandry, ny depiote Ratsiraka Sophie.
Mitaky ny hanokafana ny kianjan’ny demokrasia sy ny tsy handravana ny hetsika anaty toerana an’olon-tsotra tamin’ny governemanta ny depiote, Randriamasinoro Ny Rina. Notakiny koa ny hamoahana ireo gadra politika sy ireo mpanao gazety any am-ponja. Nitaky ny hamoahana ireo roa lahy nitoraka angidimby koa ny depioten’Andramasina.