Fiaraha-miasa amin’ny Jica : Notombanana ny filan’ny Lycée teknika

Nohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny Agence japonaise de coo­pération internationale (Jica) amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny Fampi­anarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Notanterahina nandritra ny hefarana, tamin’ity herinandro ity, ny dinik’asa sy fitsidihana ara-teknika niarahana tamin’ ny delegasiona avy amin’ny Jica sy ireo manam-pahai­zana avy any Sénégal.
Nandritra izany, nisy ny fifanakalozan-kevitra sy dinika natao tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisi­tera METFP izay nifantoka manokana tamin’ny fanavaozana sy fanatsarana ny fandaharam-pampiofanana mifototra amin’ny filan’ny tsenan’ny asa. Eo koa ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa amin’ ny sehatra tsy miankina, ny fanamafisana ny rafitra ara-panjakana mifehy ny fanofanana arakasa ary ny fanofanana mitohy ho an’ireo mpampianatra eny anivon’ny Lycée teknika.
Ankoatra izany, nitsidika ny LTP Alarobia sy Ampa­sam­pito, tafiditra amin’ny Lycée teknika hahazo ny fampitaovana avy amin’ny japoney, ny delegasionina. Tanjona ny hi­jerena ny zava-misy eny an-toerana sy hanombanana ny filana marina amin’ireo sekoly ireo. Nitohy tamin’ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ ny talem-paritry ny Fampia­na­rana teknika sy ny fanofanana arakasa Anala­manga sy ireo tomponandraikitra eo anivon’ ireo Lycée roa ireo ny fo­toana.

Vonjy

Partager sur: