Nahatsiaro manokana ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana CEPE amin’ny alatsinainy izao ny fikambanana Destiny Ivato, omaly. Nizara kits scolaire ho an’ireo mpianatra manodidina ny 200 tamin’ireo EPP dimy ao amin’ny kaominina Ivato. Fitaovam-pianarana feno hahafahana miatrika am-pitoniana ny fandinana CEPE no natolotra tamin’izany.
Tsy nisy nanavahana ireo mpianatra avy amin’ny sekoly ambaratonga fototra fa nisitraka izany avokoa.
“Maro ireo ray aman-dreny latsaka anaty fahasahiranana tanteraka ka tsy mba afaka ny hanohana ny zanany akory hiatrika fanadinana. Izany indrindra no anton’ny fankaherezana toy izao”, hoy ny filohan’ny fikambanana Destiny, Randrianarisoa Hoby.
Mifantoka hatrany amin’ny fiahiana sosialy ireo ankizy marefo sy reny sahirana ny fikambanana ary tafiditra anatin’izany izao hetsika fizarana kits scolaire izao.
Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny orinasa Ravinala Airports tamin’ny fanomanana ny fitaovana nozaraina. Fandraisana anjara amin’ny tohana eo amin’ny kaominina iasan’ny orinasa rahateo izany.
Tatiana A