Fanabeazana ho amin’ny toe-tsaina mitandro fahitsiana. Natao ny fanentanana ho an’ireo avy amin’ny fikambanana samihafa, ho fampahafantarana ny maha zava-dehibe ny fitsanganan’ny fikambanana ara-dalàna sy ny paikady mahakasika ny fananganana tetikasa fampiroboroboana fikambanana sy ireo mpikambana ao aminy.
Tatitry ny solombavambahoaka tamin’ny fihaonana mivantana. Nanasongadinana ny asa vitan’ny fitondram-panjakana, tamin’ny ezaka sy tetikasa maro hampandrosoana an’i Madagasikara hanakaiky ny Malagasy amin’ny taona 2024 sy 2025. Eo koa ireo fanamby maro mbola miandry.
Fihaonambe niarahana tamin’i Pascal Boniface. Nandray ny mpanorina sady talen’ny Iris, Pascal Boniface, ny minisitera. Hanamafisana ny fisokafan’ny ekipan’ny minisitera amin’izao tontolo izao sy ny fahaiza-manao mahakasika ny hery vaovao, ny fifandanjana ara-jeografika, ny fifandirana mitohy… sy ireo fanamby miandry ny diplaomasia.
Famolavolana paikady iarahana amin’ny famonoana afo. Ilaina ny fandrindrana ny asa amin’ny hetsika rehetra momba ny fisorohana sy ny fametrahana ny sori-dalana iraisana. Mandray anjara amin’izany ny ONU sy ireo tomponandraikitra rehetra amin’ny faritra arovana manerana ny Nosy, ankoatra ireo sampandraharaham-panjakana..