Kaominina Ambohimanambola : Efa-dahy nahatrarana vola sandoka 2 tapitrisa Ar

Hiakatra fampanoavana anio ireo olona efatra nahatrarana vola sandoka an-tapitrisany tao Ambohimanambola.

Lehilahy efatra nosamborin’ny zandary miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohimanambola, fokontany Ambohipeno, ny alarobia 11 jona teo. Naharay loharanom-baovao ny zandary momba ny fisiana olona mitety tsena manaparitaka vola sandoka. “Mody mividy zavatra amin’ny tsenakely ireo telo lahy”, hoy ny fanazavan’ny zan­dary lehiben’ny zana-tobim-paritra ao an-toerana. Nifindra tsena hafa indray ireo mpisandoka ireo ary manohy ny fisolokiana ataony. Nidina ifotony nisambotra ireo olona telo nampiahiahy ireo avy hatrany ny mpitandro filaminana. Nosavaina izy ireo ka voamarina fa nitondra vola sandoka. Niaiky heloka ary nilaza fa nikasa hanaparitaka ireo vola ireo ahafahany mahazo vola tena izy miampy entana. Nen­tina nihazo ny birao ary natao famotorana izy telo lahy.

Tratra tao Alasora ny atidoha

Nitoroka ny tompon’an­toka tamin’ny fanapariahana io vola sandoka io ireo olona telo tratra ireo. Nialokaloka tao amin’ny trano fonenany tao Alasora ny lehilahy iray fahefatra izay mpanome ireo vola sandoka. “Tsy nahatrarana fitaovana fanamboarana ireo vola izy. Karohina ny mpiara-miasa aminy hafa”, hoy ny fanampim-baovao avy amin’ny mpanao famotorana. Nahatrarana vola sandoka hafa koa tao amin’io lehilahy io. Mitotaly 2 tapitrisa Ar ny fitambaran’izany teny amin’ izy efa-dahy. Marihina, voararan’ny lalàna ary mampigadra mandra-pahafaty ny fanao­vana vola sandoka sy fanapariahana izany eto Madaga­sikara.

Tsiferana R.

Partager sur: