Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Ho azo alohan’ny 20 jona ny volan’ny kaominina”

Anisan’ny namaly sy nitondra fanazavana tamin’ireo depiote ny minisitry ny Fitsin­jaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andri­an­tsitohaina Naina. Anisan’ izany ny momba ny eny ani­von’ny kaominina. Niaiky ny minisitra fa nihena ny vola fanampiana na “Subvention” hampandehanan-draharaha eny ifotony. Mihoatra amin’ny teo aloha anefa izany raha ny fitambaran’ny vola rehetra miaraka amin’ny ho an’ny CSB sy ny EPP ary ny tontolo iainana, araka ny nambarany. “Ezahina ny hivoahan’ny vo­lan’ny kaominina rehetra mialoha ny 20 jona, araka ny fangatahan’ny ben’ny Tanàna sy ianareo depiote”, hoy izy.
Etsy andaniny, nambarany fa hatokana hanamboarana lalan-tany ny vola ho an’ny faritra ka iarahan’ny governora sy ny depiote ary ny ben’ny Tanàna ny mijery sy manapaka izany. Natsidiky ny minisitra koa fa tokony hanatante­rahana tetikasa manakaiky vahoaka ny vola avy amin’ny FDL ho an’ny eny anivon’ny kaominina. Nohitsiny kosa anefa fa haraha-maso tante­raka ny fampiasana izany.
Niara-nampanantena kosa ny tenany sy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany fa efa an-dalana ny tambin-karaman’ ireo sefo fokontany. Anisan’ny olana ny tsy nahafenoan’ireo mpitantana eny ifotony ireo ny dosieny.

Kamiao miisa 49 nogiazana

Momba ny hetran-trano sy ny hetran-tany kosa, hentitra ny minisitra Andriantsitohaina Naina fa tsy hihemotra ny fanjakana momba ny lamina efa napetraka. “Natao hanampiana ny kaominina amin’ny fampidiram-bolany izany ary koa hanohanana azy ireo amin’ny fitantanana maoderina “Digi­ta­lisation” momba ny fakana hetra”, hoy izy. Samy niaiky ny tenany sy ny minisitry ny Toe­karena sy ny vola fa tsy ampy ny serasera sy ny fampahafantarana momba io resaka hetra io ka hohatsaraina izany.
Notsiahivin’ny minisitra koa fa mbola manamafy ny fampiatoana ny fanotofana tany ny filankevitry ny minisitra ary efa nandraisana fepetra ireo tsy nanara-dalàna. Nam­pi­harina ny sazy ary nogia­zana ireo kamiao miisa 49, mpitatitra tany, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: