SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fanambarana nataon’i Rinjala Elihary, omaly, tao anaty tambajotran-tseraserany, nifindra klioba tao amin’ny FC Bulle, diviziona fahatelo any Suisse, izy. Tsiahivina fa tao amin’ny CS Chênois, izy teo aloha, ary manana ny lazany any Suisse amin’izao fotoana izao. Mpilalao tahaka itony, mendrika ho antsoina andrafitra ny ekipam-pirenena Barea.

Hotontosaina ny alahady ho avy izao, any Miami Etazonia, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ireo klioba, taranja baolina kitra, izay karakarain’ny Fifa. Hanokatra ny lalao amin’izany ny fifanandrinan’ny Inter Miami FC, mpampiantrano sy ny Al Ahly, avy atsy Egypte.

Anisan’ny handray anjara amin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fanatanjahantena, ho­tontosaina ny 27, 28 ary 29 jona izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny Fede­rasionina malagasin’ny Jiu-jitsu brezilianina. Hetsika maro no hanamarihan’izy ireo izany.

Hotanterahina any Toamasina, ao amin’ny Kianja mitafo Soavita, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 16 taona, taranja basikety. Ny 5 hatramin’ny 13 jolay izao no hanaovana ity fifaninanana ity, araka ny fandaharam-potoanan’ny Federasionina malagasin’ny basikety.

Partager sur: