Toekarena manga : Hamafisina ny fiaraha-miasa maharitra

Hamafisina ny fiaraha-miasa misy sy iraisan’ny rehetra, havaozina ireo paikady enti-miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro ary hahetsika ny famatsiam-bola maharitra sy mitombina. Nivoitra ireo nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, Tilahy Désiré, tamin’ny fikaonandoha fahatelon’ny Firenena mikambana mahakasika ny ranomasina (UNOC3), natao tany Port Lympia, Nice France.
Hapetraka ny “Global Task Force” momba ny lomotra hampitomboana ny famokarana hatrany amin’ny 300 000 t isan-taona ho an’i Madaga­sikara. Anisan’ireo firenena roa samy manao fampivoarana ny fambolena lomotra i Madagasikara sy Indonezia. Mahatratra 36,4 tapitrisa t ny vokatra maneran-tany ka ny 30 000 t dia avy eto amintsika avokoa. Tafakatra 4 tapitrisa dolara ny vola azo avy amin’izany, hoy ny minisitera. Araka izany, miara-mientana ha­nampy amin’ny fametrahana ny vovonana maneran-tany ireo mpiantsehatra maro sa­mi­hafa sy ny avy amin’ny sehatra tsy miankina. Na izany, mila jerena ny kalitao sy ny fenitry ny vokatra, tafiditra ao anatin’izany ny fanodinam-bokatra sy ny lalam-barotra samihafa. « Fotoana izao hahafahantsika mametraka ny rafitra, vonona hitarika izany ny firenena roa tonta », hoy ny minisitra Mahatante Paubert. Vonona hanohana sy hanatevim-bola ny rafitra ireo firenena hafa ho fampandrosoana ny toekarena manga.
Marihina fa naharitra dimy andro ny fivoriana izay nifarana omaly. Hetsika nokarakarain’ny vondron’ireo Nosy madinika andalam-pandrosoana.

Henintsoa

Partager sur: