Very hevitra ny mpandraharaha madinika manoloana ny fahatapahan’ny herinaratra. Misy ireo voatery nampitsahatra ny famokarany. Ao koa ireo nidi-trosa hividianana “groupe électrogène” hanohizana ny asa sahanina. Mihena ny mpanjifa na eo aza ny ezaka atao, mihena ihany koa ny fidiram-bola izay mampikoroso fahana ny toekarena. Marihina fa mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ny harinkarena faobe ny orinasa madinika sy salantsalany.
Hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny tsy miankina sy ny fanjakana manerana ny faritra ny Sadc, ny herinandron’ny fampiroboroboana ny indostria (SIW). Hifantoka amina sehatra marolafy ny hetsika fahavalo hotontosaina eto amintsika, ny 28 jolay hatramin’ny 1 aogositra. Tanjona ny hanohizana sy hampiroboroboana ny fanavaozana ary hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra laharam-pahamehana.
Mitentina 43,6 tapitrisa dolara (200 miliara Ar) ny hetra naloan’Ambatovy ny taona 2024. Na teo aza ny fihenan’ny vidin’ny nikela dia tsy nampiato ny famokarana nataon’ny orinasa ny zava-misy maneran-tany. Marihina fa anisan’ireo orinasa lehibe mitondra fampiasam-bola avy any ivelany (IDE) eto Madagasikara Ambatovy. Mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena.