Nahatratra 100 miliara Ariary ny vola nogiazan’ny Bianco ny volana janoary hatramin’ny avrily 2025. Olona 180 naiditra am-ponja vonjimaika.
“23 miliara Ar tamin’ny 2024 no nogiazina hahazoana mamerina azy any amin’ny fanjakana. Tafakatra 100 miliara Ar ny vola na fananana nogiazina tamin’ity taona ity, hatramin’ny avrily”. Io ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Bianco, Razakamanantsoa Gaby Nestor, tamin’ny mpanao gazety, nandritra ny fankalazana ny Andro momba ny sehatra mandala ny fahitsiana teny amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha, omaly. Ahoana no tsy ahazoana milaza hoe misy ny ezaka amin’ny ady amin’ny kolikoly? Ny ezaka natao: misy 2 688 ny fitarainana voaray teo anivon’ny Bianco, 2 200 no voadinika, 900 mahery no nahavitana fanadihadiana, 598 no nalefa tany amin’ny Fitsarana hampiharana lalàna. Tao anatin’ireo, nisy olona 178 naiditra am-ponja vonjimaika.
Ny isa omena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny amin’ny ady amin’ny kolikoly, indraindray tsy ahazoana mitaratra ny tena ezaka atao. Izany no mampitaraina ny mpiara-mikatroka amin’ny ady amin’ny kolikoly maneran-tany. Ny isa omena ve no tena tondro tsara ahazoana mitaratra ny fivoaran’ny ady amin’ny kolikoly isam-pirenena? Mbola adihevitra izany maneran-tany. “Mila manana maso miabo isika mijery ny zava-misy eto Madagasikara, fa tsy faly mijery ny tsy mety hatrany isaky ny mihetsika”, hoy izy. Misy teboka maromaro ao anatin’ny ady amin’ny kolikoly. Misy ny fanabeazana, ny fisorohana, ny fampiharan-dalàna, ny famerenana amin’ny fanjakana ny harena azo tamin’ny kolikoly. Izany rehetra izany no itsarana ny firenena tsirairay avy, raha ny fifanarahan’ny Firenena mikambana (ONU).
R. Nd.