Natao ny 12 jona teo, teto Antananarivo, ny atrikasa nokarakarain’ny Vovonana Fiarahamonim-pirenena ho an’ny ankizy (PFSCE) sy ireo fikambanana samihafa ao anatiny. Lohahevitra ny hoe « Fampiasana ankizy, atsaharo ». Nandray anjara tamin’ny famelabelarana sy ady hevitra ny Kaomitin’ny ankizy, mpikambana ao anatin’ny PFSCE, ny fikambanana « Terre des Hommes », ny manampahaizana avy any Frantsa, sns.
Voalaza fa tena misy ary tsy foana ny fampiasana ankizy tsy ampy taona. Toy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny eladrano na « mica ». Kely ny karama raisin’ny ankizy satria amidiny 100 Ar ny kilao, ary zara raha manodidina ny 3 000 Ar ny azo isan’andro.
Misy ny hafatra ho an’ny fanjakana, ny fianakaviana, ny fiarahamonina, ny mpampianatra, ny tsy miankina, nomen’ny PFSCE amin’izao volan’ny ankizy izao. Maro ny ankizy malagasy mbola miaina anaty tahotra, herisetra, fanararaotana, tsy fandriampahalemana. Tsy azo ekena intsony ireny, ka mila atsahatra. Miaro ny ankizy, midika ho manorina hoavy mamiratra. Nisy ny solontena avy amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, ny ao amin’ny Mponina, ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana ara-teknika, sns.
Njaka A.