Niaka-tsehatra voalohany, omaly, ny ekipa malagasy Ankoay, sokajy vehivavy, niatrika ny fifaninanana “Women’s Serie”, taranja basikety 3×3. Fifaninanana tontosaina any Viennes. Ratsy fanombohana ny Malagasy raha ny voka-dalao, omaly. Resin’ny CS Rapid Bucharest tamin’ny isa 21 no ho 8 ny Ankoay, nahitana an’i Muriel, Sydonnie, Christiane ary i Chine. Tsiahivina, fifaninanana tafiditra anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny amboara maneran-tany 3×3, hatao any Mongolie, ny 23 hatramin’ny 29 jona izao, ity lalao atao any Viennes ity. Efa nisy ny dingana voalohany tamin’ny “Women’s Serie” izay natao tany Baku Azerbaïdjan, ny volana mey lasa teo, izay nahazoan’ny Ankoay fandresena iray sy faharesena iray. Aorian’ity fifaninanana hatao any Viennes ity, mbola hisy ny dingana fahatelo izay tsy mbola fantatra ny toerana hanatanterahana izany.
Mi.Raz