Ao anatin’ny fandraisan andraikitra ara-tsosialy sy tontolo iaianana (RSE) sy ho fankalazana ny faha-10 taonany, niara-nientana namboly zana-kazo miisa 1 000 sy fihinam-boa miisa 3 000 ny mpirara-miombon’antoka amin’ny orinasa Cosmos sy ny Uditec manerana ny Nosy. Nifanolo-tanana tamin’izany ireo mpiara-miasa rehetra miisa 400 manerana an’i Madagasikara. Ankoatra izay, nanamafy ny fifankatiavana sy ny firaisankinany tamin’ny alalan’ny “Team building” ny ekipa hanatrarana ny fanamby sy hanamafisana ireo hetsika ara-tsosialin’ny orinasa. Hatramin’ny niandohan’ny taona, nitondra ny anjara birikiny sy nanohana ireo akany mitaiza zaza kamboty miisa14, amina faritra maro eto Madagasikara, ny orinasa. Ny efatra teto Antananarivo, raha ny 10 hafa any amin’ireo faritra ahitana ny magazay Cosmos toy ny ao Antsiranana, Ambilobe, Antsohihy, Sambava, Mahajanga. Nisitraka izany tohana izany koa ireo akany ao Antsirabe, Toamasina, Fianarantsoa, Toliara ary Taolagnaro. “Tanjona ny hitondra fanampiana sy hanohanana ireo ankizy kamboty eto Madagasikara” hoy Ralimina Felana, tomponandraikitry ny seraseran’ny magazay. Nohamafisiny fa mbola hitohy ny hetsika hatao hanakaikezana sy hanampiana ireo sahirana, izay namana sy havana ary mpiara-monina amintsika.
Mpanjifa
Tao anatin’ny 10 taona, manakaiky sy manamora ny fiainan’ny mpanjifa ny magazay Cosmos amin’ny alalan’ ireo tolotra ataony. Ankehitriny, misandrahaka manerana ny Nosy ireo magazay miisa 18, ahitana ireo vokatra maro samihafa sy tsara kalitao. Tao anatin’ny 3 taona, napetraka ny tolotra “Vente à crédit mirindra” hanamorana ny fahafahan’ny mpanjifa mividy entana izay tiany sy azony aloa ao anatin’ny 30 volana, araka ny fahefany.
Henintsoa