Akom-pahatsiarovana an’i Jerôme Randria : Nifamatotra akaiky ny mpijery sy ny mpanakanto

Mpanakanto samy nanana ny tany nitsimohany no namelona indray ny tsiahy ho an’i Jerôme Randria. Na izany, tsapa fa nahay nampiaina ireo hira noforoniny na nohirain’ity andrarezina ity izy ireo.

Nanie, Nini (Kiaka), Inah, Thony Chriss (zanak’i Railôla) ary ny tarika Rai­lôla, nanafana ny sehatry ny CCEsca Antanimena, oma­ly tolakandro. «Akom-paha­tsia­rovana an’i Jerôme Ran­dria» nahatsapana sy niainana in­dray ireo kalon’ny omaly noforonina sy nokaloin’ity andrarezin’ny zavakanto malagasy ity.
Na samy manana ny maha izy azy aza ireo mpanakanto na tarika teny an-tsehatra. Heno avy hatrany fa nitempo iray ny fon’izy ireo nandritra ny fampisehoana manontolo. Nampitambolona zavatra na tranga maro tany amin’ny mpijery izany ka nahatonga azy ireo hisento, hihira, hitehaka, nangataka famerenana, maso nanganohano, sns.
Lohahevitra maro sy ma­fonja rahateo no fonosin’ny tononkira tsirairay, hany ka nifamatotra hatramin’ny faran’ ny fampisehoana ny teny an-tsehatra sy ireo mpijery. Ani­san’ny nisongadina ny ton­t­o­lon’ny fitiavana amin’ny en­driny samihafa. « Hiaraka ami­nao », « Impirimpiry moa », « Neny », « Raha ho nofy »…
Nifandimbiasana ny nanao ny feon’i Jerôme Randria sy ireo niaraka nihira taminy tamin’izany. Nandrasan’ny mpijery fatratra ny fomba ha­moahan’i Nini (Kiaka) ny hiran’ ny omaly… Tontosany soa aman-tsara. Tahaka izany ihany koa ny an’i Thony Chriss. Ny fiarahan’ny tarika Railôla tamin’i Inah, Nanie… Nampi­tambolona tsiahy maro ho an’ny mpijery tonga teny an-toerana.
… Anisan’ny nanakoako tao amin’ny CCEsca Anta­nimena ny fangatahan’ny mpijery ny hamerenana ity seho « Akom-pahatsiarovana an’i Jerôme Randria » ity. Ma­halana rahateo no ahitana fampisehoana tahaka izao.
Nahenoina lesoka kely teo amin’ny fifehezana ny fanamafisam-peo teny antsefatsefan’ny fizarana voalohany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: