Vaviantitra 71 taona nahatraran’ny polisim-pirenena vola sandoka teny Ambodimita, boriborintany fahenina, ny alakamisy 12 jona teo. Mitety tsena, mody mividy zavatra no fomban’ireo olon-dratsy manaparitaka io vola sandoka io. Niandry andro ho maizimaizina, nilaza hametraka vola mitetina 320 000 Ar ho ao anaty findainy teo amin’ny Cash point iray io ramatoa io. Nanararaotra nampiresaka izy ary nanolotra ny vola. Sandoka avokoa anefa ireo 20 000 Ar miisa 16 teny aminy. Niantso manam-pahefana avy hatrany ny mpitazona ilay trano fanakalozam-bola. Noraisim-potsiny ilay vaviantitra saika hanao teti-dratsy. Nogiazana avokoa ireo vola sarona teny aminy. Nentina natao famotorana io vehivavy io ary hatolotra ny fampanoavana aorin’izay. Tsiahivina, olona efatra voasambotry ny zandary teny Ambohimanambola nikasa hanaparitaka vola sandoka, ny faran’ny herinandro teo.
Tsiferana R.