Fanadinana CEPE-2025 : 571 367 ny mpiadina manerana ny Nosy

“Tsy fotoana famerenana na fianarana intsony ny anio ho an’ireo mpanala fanadinana CEPE”, hoy ny mpanabe. Fandaminana ny fitaovana sy ny taratasy fiantsoana miaraka amin’ny karatra maha mpianatra no tena zava-dehibe. Mila fiomanana koa ny fitaterana hisorohana ny fahatarana eo am-pidirana.

Rahampitso talata no hiatrika ny fanadinana CEPE ny mpiadina 571 367 manerana ny Nosy, araka ny fanambaran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. 15 337 ny isan’ny efitrano handray ireo mpiadina, amin’ny foibe 2 088. Maha­tratra 115 ireo mpiadina ma­nana fahasembanana amin’ity taona ity. 11 jamba, fito ma­nana olana amin’ny fahitana ary 97 manana fahasemba­nana hafa. Efa misy ny fepetra manokana ho an’ireo mila olona miaraka aminy ao ana­tin’ny efitrano fanadinana.

Eto Antananarivo, 177 559 ny mpiadina, miparitaka amin’ ny efitrano 5 032, anatin’ny foibe 582. Manana mpiadina 77 misy fahasembanana hiatrika fanadinana CEPE, jamba ny dimy amin’izy ireo ary fahasembanana hafa ny 72.
Efa nozaraina ny zoma teo ny taratasy fiantsoana ho an’ ny mpiadina ary tokony hanatona ny Cisco anio tontolo andro ireo tsy nahazo ny azy. Ilaina ny taratasy fiantsoana miaraka amin’ny karatra maha mpianatra misy sary hanamarinana fa tena mpiadina ilay olona. Azon’ny mpiadina nojerena mialoha ny toerana misy ny foibem-panadinana sy ny efitrano, tsy hampitarazoka ny fitadiavana izany rahampitso.
Amin’ny 7 ora maraina no manomboka ny fiantsoana anarana isaky ny efitrano. Hisantarana ny taranja, ny maraina, ny kajy sy ny laza olana. Maro amin’ireo mpia­dina no tsy hody mandritra ny fotoana fisakafoana ny atoandro fa hanateran’ny ray aman-dreny sakafo any amin’ny foibem-panadinany. Nisy amin’ ireo mpiadina koa no mahazo sakafo maimaimpoana zarain’ ny fikambanana na tomponandraikitra ao anatin’ny faritra misy ny foibem-panadinana.

Vonjy

Partager sur: