FANTINA sy FINTINA

Nahitsy ny prefet, ny Jly Ravelonarivo Angelo, fa tsy ilaina ny maneho hevitra an-dalambe manoloana ny teknolojia amin’izao fotoana izao. “Efa hery faharoa amin’ny fanehoan-kevitra ireny tambajotran-tserasera ireny. Fanakorontanana ara-politika io fitadiavana hidina an-dalambe io ka tsy maintsy mailo ny prefektiora”, hoy izy.
Nankasitraka ny filoha Rajoelina Andry ny depiote Rafidimanana Desiré tamin’ny fandraisam-pitenenany teny Tsimbazaza, ny zoma teo. Nambarany fa betsaka ny ezaka natao sy ny vita ary mbola manan­tena izany hatrany ny tenany. Na izany, nohitsiny fa tokony hazavaina amin’ny vahoaka ho fantany ity delestazy lavareny ity.
Nangataka famotsoran-keloka ho an-dRandri­amihoatra Jean Luce ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, nandritra ny tafa nifanaovany tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray, ny zoma teo. Tsiahivina fa voasazy telo taona an-tranomaizina, sazy mihatra, ity teknisianin’ny Tim ity ary voampanga ho niditra sy nanova ny voka-pifidianana tao amin’ny tranokalan’ny Ceni.
Naneho ny heviny ny antoko MMM manoloana ny raharaham-pirenena ka nilaza fa tokony hahatsapa tena hametra-pialana ny mpitondra. Nohitsin’ny filoha nasionalin’ny antoko, Andrianainarivelo Hajo, fa efa tena betsaka loatra sy lehibe ny olana goavana nefa tsy voavahan’ireo mpitondra.

Partager sur: