Haingana sy mivaingana

Tsy fandriampahalemana, vidim-piainana, famatsian-jiro sy rano… Ireo no tena nampitaraina ny ankamaroan’ ireo depiote tamin’ny fifanatrehana tamin’ny governemanta. Hanao ahoana? Na vitan’izay… Nisy ny tena namatrapatratra nanala ny alahelony sy ny fony. Nisy aza ny tonga amin’ny hoe mila mametra-pialana, hono, izay tsy mahavita. Toy ny hoe hahavaha mora foana sy haingana ny olana iny izy, raha tonga na apetraka eo. Na izany aza, nisy ihany no nilaza fa tsy hahavaha ny olana amin’ny famatsian-jiro sy rano, ohatra, ny fidinana an-dalambe. Mila manana faharetana sy fiaretana…
Mandra-pahoviana? Olana hafa koa izay… Tena mitazam-potsiny na tsy mahalala ny fahasahiranam-bahoaka ve ny fitondrana amin’izao? Ao anaty fahantrana lalina sy maharitra… Fahantrana tsy tonga ho azy fa vokatry ny tarazo an-taona maro. Teo, ohatra, ny krizy politika niverimberina noho ny nafitsoky ny mpanao politika, ny harem-pirenena tavanin’ny olom-bitsy na ny vahiny fa tsy misitraka inona aminy ny tompon-tany, ny fitantanana samy maka ho azy… Ho voaarina sy voaonitra vetivety ao anatin’ny fotoana fohy ve izany? Na izao dia izao… Tsia, tsy hoe tsy atao fa tsy maintsy atrehina.
Tsy olana ny olana raha tsy sarotra ny mamaha azy, fa toy ny indro kely ihany. Vahana haingana sy mivain­gana? Fa tena mahantra ny vahoaka, fadiranovana,
mijaly… Na izany aza, ilaina koa ny vahaolana mahomby, azo antoka, maharitra… Mba tsy hiverimberina ny olana sy ny fahavoazana. Tsy amin’izany ve izao? Na izany aza, mila taitairina hatrany ny tomponandraikitra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga fa misy hatrany ny azo atao amin’ny famahana olana. Tsy misy olana tsy azo vahana; raha tsy izany, ny mpamaha olana no olana? Tsy mbola amin’izany izao fa eo am-pamahana olana.

R. Nd.

Partager sur: