Manodidina ny 800 hatramin’ny 1 000 eo ny isan’ny olona manana toetena varira (albinisme) voaisa eto Madagasikara, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny fikambanana Albinos. Nanana olana teo amin’ny lafiny ara-pototarazo ny olona iray ka antony mahatonga azy hiavaka amin’ny maro. “Fifandraisan’ny taranaka roa samihafa sy samy mitondra ilay tarazo no mamoaka azy io”, hoy ny filohan’ny fikambanana Albinos, Ramiandrisoa Fulgence Soja, raha nanontaniana. “Tsy ampy mélamine izy ireo ka mahatonga ny hodiny tsy hahazaka masoandro sy ny maso tsy mahita alavitra”, raha ny fanazavana hatrany. Nohamafisiny fa tsy aretina mifindra velively ny Albinisme.
Mbola betsaka amin’ny mpiara-belona no tsy mahafantatra izany ka mahatonga azy ireo manao karazana herisetra amin’ny olona varira. Misedra olana izy ireny eny anivon’ny fiarahamonina. Maro ny hevi-draikitra sy hevi-diso miparitaka manerana ny Nosy ka mahatonga ny olona varira iharan’ny herisetra. Mbola miaina tanteraka ao anatin’ny tsy fandriampahalemana ny olona manana io toetena io eto Madagasikara hatramin’izao fotoana izao, raha ny zava-misy. Valo ny trangana fakana an-keriny varira nanomboka ny volana janoary hatramin’ny avrily 2025 lasa teo, roa ny maty, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny fikambanana Albinos. 24 ny tranga tamin’ny taona 2024, 12 ny maty tamin’izany. 14 ny tranga tamin’ny taona 2023 ary dimy ny namoy ny ainy. Tamin’ny taona 2022, 20 ny tranga ary fito ny maty. Anisan’ny tena lasibatra amin’ireo trangana tsy fandriampahalemana ireo ny avy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, Androy, Anosy ary Vatovavy Fitovinany.
Andro maneran-tany
Nomarihina ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fampahafantarana ny olona manana toetena varira. Novelabelarina teny an-toerana nandritra ny tapany maraina ny mahakasika ireo olona manana toetena varira. Lohahevitry ny fankalazana ny hoe: ” L’inclusion fait la force”. Ny hialana amin’ izany ny antony nahatonga ny hetsika fampahafantarana, raha ny fanazavana voaray hatrany. “Olombelona tahaka ny rehetra ihany ny varira ka disoana tanteraka ny fiheverana fa manana hery miafina manokana izy ireo”, hoy hatrany izy. Ankoatra izay, manana zo feno tahaka ny rehetra ihany koa izy ireo ka tokony hajaina izany. Hialana, araka izany, ny fanavakavahana sy fanilikilihana ary ny fanaovana herisetra. Ankoatra ny trangana fakana an-keriny mahazo, iharan’ny fakana taova isan-karazany ihany koa izy ireo. Malaza amin’izany ny fakana voamaso, fanapahan-doha sy ny maro hafa. Ataon’ny olon-dratsy odiratsy entina mangalatra mba ho masobe tsy mahita ny antony hakana ny voamason’izy ireny, raha ny feo mandeha.
Fijoroan’ny fikambanana
Misy ny fikambanana ivondronan’ireo olona manana toetena varira eto Madagasikara. Tanjona ny hahafahana miady amin’ny karazana fanilikilihana maro. Eo koa ny hanamorana ny fisitrahana ny tolotra ara-pahasalamana sy fiarovana ary ny fitakiana ny zo maha olombelona ho an’ ireo olona varira. Ankoatra izay, ahafahana miady amin’ ny trangana tsy fandriampahalemana misy sy mahazo azy ireo eto amin’ny Nosy koa. Manampy amin’ny fampahafantarana sy miahy ireo olona varira eto amin’ny Nosy ny antom-pijoroany. Anisan’ny ezaka ataon’ny fikambanana ny hanamorana ny “crème solaire” natao ho an’ny varira, natao hiarovana azy ireo amin’ ny masoandro. Tsy ny varira rehetra no afaka misitraka izany satria lafo ny vidin’io fiarovana iray io, raha ny fanazavana voaray. Manodidina ny 120 000 Ariary ny iray amin’ izany.
Mino
Mitondra anjara biriky ny tolo-dalàna
Lany teny anivon’ny Antenimierampirenena, ny herinandro lasa teo, ny tolo-dalàna hiarovana ireo olona manana toetena varira eto Madagasikara. Tolo-dalàna laharana 005-2024/PL natolotry ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’i Betroka, Randrianasolo JeanNicolas. Ho mafy ny lalàna hanasazy ireo mpanilikilika, mpanao herisetra ary ireo miray tsikombakomba amin’ireo mpaka an-keriny izay atao amin’ny varira. Zara raha misy jiolahy na mpiray tsikombakomba voasazy ka mampitaraina ny fiainakavian’izy ireo ao amin’ny faritra Anosy, Atsimo Andrefana ary Atsimo Atsinanana, raha ny fanazavana voaray hatrany. “Anisan’ny mitondra fanovana goavana sy mitondra anjara biriky goavana ny fandaniana iny tolo-dalàna iny”, hoy ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Nambarany fa anisan’ny olona sokajiana ho marefo ny manana toetena varira. Be mpanenjika sy iharan’ny herisetra amin’ny endriny maro izy ireny. Manoloana izany, manana andraikitra lehibe ny eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina sy ny minisitera hafa hiaro ireny olona ireny. Toy ny fanampiana azy hisitraka ny fanafody manokana hiarovana amin’ny masoandro. “Mila arovana sy tokony horaisina toy ny ankizy rehetra ireo varira ireo”, hoy hatrany ny minisitra.