Natiora defenders : Nahazo ny “Intentional Award 2025”

Nahazo ny “Intentional Award” tamin’ny Lush Spring Prize 2025 notontosaina tany Dorset, Royaume-Uni, ny fikambanana Natiora Defenders, misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iai­nana ka manome lanja ireo mpiantsehatra miaro ny rohivoahary eto Madagasikara. 19 ireo notolorana fankasitrahana ka iray amin’ireo ny fikambanana. Nisongadina tamin’ny asa fanoha­nana ireo mpanjono madinika ny fikambanana tamin’ny fandaharanasa « Ocean defenders ». Niavaka ny andiany tamin’ity taona ity izay manome vahana ny fahaizan’ny olobe tany aloha sy ny fikarohana siantifika nefa manaja ny lalàn’ny zavaboa­hary. Isaky ny roa taona ny hetsika fanomezana fankasitrahana Lush Spring Prize manohana ny tetikasa miainga eny ifotony mamerina ny rohivoahary, ka mampivady ny fahazai-manao maha­zatra sy ny fivoarana manaraka ny toetrandro.
Niorina teto Madagasikara ny Natiora Defenders ary miasa any amin’ny toerana tena lavitra sy saro-dalana. Manohana ny hetsika ataon’ny mpisehatra eny ifotony ny fikambanana ary mikaroka lalam-bola ahazoana manatanteraka ny asan’izy ireo. Hanamafisana ny fandaharanasa Ocean defenders ny loka azo, rahany voalaza, hanaovana tantsoroka ny mpiaro ny ranoma­sina amin’ny fiarovana ny rohivoahary an-dranomasina.

Vonjy

Partager sur: