Notsatohana tamin’ny hety: Tomponantoka ny raikelin’ny zaza lasibatra

Voasambotry ny zandary avy amin’ny borigadin’Ambo­hi­malaza, afakomaly, ny ray aman-drenin’ilay zaza menavava notsatohana hety teo amin’ny tendany, ny zoma lasa teo. Tratra teny Ambohi­ma­laza ilay renim-pianaka­viana, raha toa ka teny An­dranovao, kaominina Ambohimangakely, ilay raim-pianakaviana, raikely, fa nanoratra ny anarany tao anaty kopian’ny zaza. Bevo­hoka fito volana ny renin’ilay zaza no nanambady ity ran­gahy ity. Nosoratany taminy ilay zaza rehefa teraka ary mbola mpivady izy ireo hatramin’izao. Notanana sy nanaovana fanadihadiana eny anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana izy ireo. Fantatra nandritra ny famotorana fa tomponantoka tamin’ny famonoana sy fanindronana hety ilay zaza io raim-pianakaviana io. Nokasaina ho vonoina ity zaza ka antony nanatsatohana tamin’ny hety azy, raha ny fanazavana voaray. Tsy mbola fantatra mazava ny tena antony nahatonga ity lehilahy ity hamono ny zaza. Voasam­botra adiny 20 taty aorian’ny asa ratsy nataony izy ireo, raha ny fanazavana voaray. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny borigadin’Ambohimangakely sy Ambohimalaza nahafahana nahatontosa izany. Taorian’ny fandraisana an-tanana sy fitsaboana ilay zaza, nanao ny fikarohana sy fanadihadiana ny zandary, nahafahana ni­sambotra azy ireo. Tsiahivina fa nisy nametraka tany anaty kirihatr’ala tany Andepombe, fokontany Andranonomby, kaominina ambanivohitra Am­bohimalaza, distrikan’Antana­na­rivo Avaradrano, ny zoma lasa teo, ny zaza vao enim-bolana monja. Raim-pianakaviana sendra nandalo no nahita azy ka niantso ny tomponandraikitra. Nidina tany an-toe­rana ny zandary avy amin’ny borigadin’Ambohimalaza sy ny tomponandraikitry ny kaominina. Nentina haingana teny anivon’ny hopitaly CSB Am­bohimalaza ilay zaza taorian’ izay. Tsy vita tao ny fitsaboana fa tsy maintsy nentina nodidina eny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Taorian’ny fandidiana, avotra soa aman-tsara ilay zaza. Nandray an-tanana io zaza io ny masera avy ao amin’ny Soeur Hospitaliére de la misericorde HJRA.

Mino

Partager sur: