Maty novonoin’ny mpiray tanàna taminy ny raim-pianakaviana iray, tamin’ny alarobia teo. Olona telo voasambotry ny zandary. Hiakatra fampanoavana anio ireto ahina ho tompon’antoka.
Hatolotra ny fampanoavana anio, ireo telo mianadahy voasaringotra tamin’ny vonoan’olona tao amin’ny fokontany Tsarahonenana, kaominina Alakamisy Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo. Voatsatoka vy maranitra teo amin’ny tratrany sy ny tendany ny raim-pianakaviana iray monina ao Antanetibe, ny alarobia 11 jona alina. Voalazan’ny mpanao fanadihadiana fa hitsena ny vadiny no nivoahany ny trano. Mialoha izay, mbola nividy trondro sira ataony laoka hariva izy.
”Lonilony teo amin’ny mpiara-monina no nitarika ny famonoana”, hoy ny fanazavan’ny zandary, kaomandin’ny zana-tobim-paritra Alakamisy Ambohidratrimo. ”Notrobatrobaran’ny tsy mataho-tody vy lava teo amin’ny tendany sy ny faritry ny fony ilay lehilahy. Nandriaka ny ra ka tsy tana ny ainy minitra vitsy taorian’ny habibiana. Mbola niparitaka tamin’ny arabe sy ny toerana namonoana azy ny trondro saika hatao laoka”, hoy hatrany ny zandary.
Mpivady sy lehilahy voasambotra
Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. Nosamborina ny lehilahy iray tratra teo amin’ny toerana nitrangan’ny famonoana tamin’io fotoana io sy ny mpivady ahina ho tompon’antoka tamin’izany. Nahenoana fofona alikaola ilay lehilahy namoy ny ainy. ”Mbola nahavita nanonona ny anaran’ny olona namono azy izy tamin’io fotoana io” hoy ny nambaran’ny mponina eny an-toerana. Nentina natao famotorana eny anivon’ny biraon’ny zandary, ao amin’ny kaomandin’ny tobim-paritra Ambohidratrimo, ireo olona telo voasaringotra. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana. Efa nentin’ny fianakaviany namonjy ny tanindrazany, any Antsirabe, ny razana.
Tsiferana R.