Fampandrosoana eny ifotony: Hamondrona ny heriny ny zanak’i Mandrosoa

Hifamotoana eny amin’ny Park Sisaony Ambatofotsy ny Zanak’i Mandrosoa (Zanama), ny alahady 22 jona izao. Hetsika natao hamondronana ny hery ho amin’ny fampandrosoana ny kaominina Mandrosoa, distrikan’Andramasina izany.

“Mitana andraikitra sy asa amin’ny sehatra maro eo anivon’ny fitondram-panjakana sy amin’ny sehatra tsy miankina ireo avara-pianarana sy manampahaizana zanaky ny kaominina ka fotoana io hifampizarana ny hampandrosoana miaraka ny tanindrazana”, hoy ny ben’ny Tanàna, Synèse Ranarison. Nambara­ny fa tsy hijerena finoana sy firehana politika ny fihaonana. Natao ho an’ireo rehetra zanaky ny kaominina Mandrosoa Mandrosohasina, araka ny nambarany hatrany.
Anisan’ny hampiavaka izany ny fanangonana ireo fitaovana na kojakoja, toy ny fitafiana, lamba sy akanjo mafana ho an’ny zokiolona sy ny marefo any an-tanindrazana. Eo koa ny fanomezana boky na kahie sy penina ho an’ireo mpianatra sy ny kilalao samihafa toy ny arendrina ho an’ireo ankizy madinika amin’izao fety izao. Hanentanana ireo ho avy eny an-toerana ny fitondrana izany, arakaraka ny fahafaha-manao eo amin’ny tsirairay.

Tetikasa iray avy amin’ny Zanama
Etsy andaniny, fotoana koa io hamaritana ny tetikasa iray manokana avy amin’ny Zanama hotanterahina any Mandrosoa. Hisy koa ny tsipaipaika hanohanana ny kaominina ho fampandehanan-draharaha. “Entanina isika rehetra mba samy handray anjara amin’izany. Adidy ho an’ny mpiara-belona amintsika any an-tanàna sy ho an’ny tanindrazana izany ary ho fampandrosoana miaraka ny kaominintsika”, hoy ihany ny ben’ny Tanàna.
Tsiahivina fa hanafana ny fihaonana ireo mpanakanto zanaky ny tanàna sy ireo artista maromaro sangany avy aty an-dRenivohitra.

Fitia Randria

Partager sur: