Nanasongadina ny zava-bitan’ny fitondram-panjakana teo amin’ny sehatry ny fanabeazana ny minisitra nandritra ny fihaonana tamin’ny solombavambahoaka, ny faran’ny herinandro teo.
Maro ny fampitaovana ireo tranon-tsekoly vao naorina manerana an’i Madagasikara. Maherin’ny 61 000 ireo dabilio notsinjaraina ho an’ny taona 2024 -2025.
Novatsiana fitaovam-pianarana miisa 1 600 000 ireo mpianatra, niampy aron’akanjo miisa 600 000 mahery ho an’ny mpianatry ny EPP.
Miroso hatrany amin’ny fanatsarana ny kalitaom-pampianarana ny minisitera ka misy ny paikady fanatsarana ny fampianarana ny taranja Matematika sy Malagasy ho an’ny EPP. Teo koa ny famatsiam-boky fianarana sy rakibolana miisa 1 000 000 ho an’ny CEG sy Lycée.
Nofanina ireo mpampianatra 100 000 mahery.
Mpianatra 230 000 no misitraka ny fampisakafoana an-tsekoly eto Madagasikara. Nomena ny tantsoroka ara-bola ho fampandehanana ny raharahan-tsekoly (Caisse école). Vola mitentina 66 miliara Ar no mirotsaka ho amin’izany.
Fiantoham-panampiana, nisitraka izany ny mpampianatra miisa 37 394, anivon’ny sekoly miahy tena, miampy ireo mpampianatra Fram miisa 26 782. Noraisina ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra miisa 26 000 ho an’ny telo taona manaraka.
Tatiana A