fanaovam-bakisiny : Tafatsangana ny vondron’ny parlemantera

Taorian’ny fivoriana tany Istambul, ny avrily lasa teo, niarahana tamin’ny firenena valo mbola ampian’ny Gavi amin’ny fividianana vaksiny, nisy ny Alliance inter-parlemantaire natsangana. Nentina aty amin’ny firenena tsirairay ny zavatra tapaka tamin’izany.

Tafatsangana taorian’ny atrikasa teny Ambatofo­tsy, omaly, ny Coalition parlemantaire pour la vaccination. Ahitana ireo vaomiera eny anivon’ny Antenimieram­pi­renena voakasiky ny fanaovam-baksiny izany, ahafahana miara-miasa amin’ny vaomiera momba ny fahasalamana sy ny fandrindram-piterahana. Tanjona ny hampakatra ny tetibola atokana ho an’ny vaksiny satria mbola miankina amin’ny mpamatsy vola ny ampahany betsaka (90%) hividianana sy hanaovana izany eto amintsika. Niitatra amin’ny vaomiera momba ny lalàna, ny mponina ary ny fanombanana ny politikam-panjakana ny mpikambana ao anatin’ny Coalition pour la vaccination izay hanao adisisika eny anivon’ny mpanatanteraka.
« Mandritra ny fivoriana fa­haroa, ny volana oktobra, eny Tsimbazaza, no handinihina ny volavalolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana taona 2026. Tokony hisy tolo-kevitra entin’ny solombavambahoaka any amin’ny mpanatanteraka mialoha ny fandiniana hitondra fivoarana amin’ny tetibola», hoy ny solombavambahoaka filohan’ny vaomieran’ny Fahasalamana sy ny fandrindram-piterahana, Dr Rajaobelina Lova.
«Efa misy ny lalàna laharana 2016- 058 momba ny fa­metrahana ny Tahirim-pirenena ho an’ny fanaovam-baksiny efa nolanian’ny Anteni­miera roa tonta. Tsy mbola navoakan’ny fitondram-panjakana anefa ny ny didy fampiharana», hoy ny filohan’ny vaomieran’ny Lalàna, Raby Savatsara. Sakana lehibe tsy ahafahana miroso amin’ny fa­matsiana vola maharitra ny fanaovam-baksiny izany. Niova koa ny zava-misy amin’izao fotoana ka hodinihina raha mbola azo hampiharina ilay lalàna. Miankina amin’ny filana misy eo amin’ny vaomieran’ny fahasalamana izany.

Vonjy

Partager sur: