Tao anatin’ny herinandro, niakatra ho 4 200Ar ny kilaon’ ny lafarinina eny an-tsena, raha mbola novidiana 3 200 Ar teo aloha. “Nahitam-piakarana manodidina ny 800Ar ka hatramin’ny 1 000Ar”, hoy Rakotondrabe, mpivarotra eny Ambondrona. « Mihena ny mpanjifa. Ireo mpivarotra mofo, mpanao mofomamy ary ireo mpanao tsena kely sisa no mividy eto aminay », raha ny filazany. Manahy amin’ny fiakaran’ny vidin’ny mofo sy ireo vokatra ampiasana io akora io ny mpanjifa. « Ho sarotra ny fampiakarana ny vidin’entana izay efa tsy zakan’ny mpanjifa. Voatery mampihena ny haben’ireo karazana mofo izahay hitsinjovana ny tsena sy hitazomana ireo mpividy », hoy i Soa, mpivarotra mofomamy. Ankehitriny, jifaina manodidina ny 210 000Ar ny iray gony amin’ny lafarina raha toa ka 160 000Ar izany teo aloha. Mitaraina manoloana ny zava-misy ny mpaninjara ka manao antso avo hijerena ny zava-misy.
Ankoatra izay, mananika ny 4 000Ar ihany koa ny kilaon’ny vary amin’izao fotoana. Voakasik’izany ireo vary zanatany, toy ny vary gasy sy ny makalioka. Miditra amin’ny vanim-potoana fiakaram-bokatra nefa isika izao ary efa tapitra tamin’ny volana avrily ny vanim-potoan’ny maitsoahitra. Vokany, manomboka hita eny an-tsena ihany koa ireo vokatra avy any amin’ny faritra samihafa, toy ny avy any Alaotra Mangoro sy Marovoay.
Henintsoa