“Festisôva » andiany faha-8 : Homena sehatra ireo mpisôva mpandimby

Mila homanina ny mpandimby mba tsy ho very ny kolontsaina. Mitodika any amin’ireo tanora mpanao vakisôva indray ny “Festisôva” andiany faha-8, amin’ity. Hisokatra amina sehatra hafa koa ny hetsika.

21 jona, “Fetin’ny mo­zika”. Nosafidiana manokana hanaovana ny “Festisôva” andiany faha-8 ihany koa io, eny amin’ ny Kianja basikety Andraisoro. Toy ireo andiany teo aloha, haka endrika fampisehoana sady fifaninanana eo amin’ireo tropy mpanao vakisôva eto Antananarivo sy ny manodidina ny hetsika. Ny hampiavaka azy kosa, homena sehatra indray ireo tanora mpisôva, latsaky ny 40 taona. “Mila ho­manina ireo mpandimby mba hitohizan’ny sôva hatrany. Efa somary lehibe ireo mpanao sôva nalaza ka izay no handrisihana azy ireo hampita ny fanilo, sy hanome tsodrano ireo mpandimby”, hoy ny nambaran’ny filoha lefitry ny fikambanana Tambohobe (Tanora mbola ho beazina).
Tarika 12, anisan’ireo ka­laza amin’ny vakisôva eto Anta­nanarivo, no handray anjara, ka hampakatra ireo mpandimby mandritra ny hetsika. Ny Hazo Midoroboka avy eny Ampamarinana, Gasy Mi­sôva Behoririka, Sôva Tan­jom­bato, B52 Antohomadi­nika, FItarikandro Tsiadana, Fanjan’Anjanahary, Akon’ny Fanantenana Tsiadana, Tara-pahazavana Andraisoro, Black Collection Andranoma­lina, Raozin’ny Dalia Ampan­drana, Tsiazompaniry ary ry zareo avy etsy Mahamasina.
“Hisokatra amina hetsika samihafa ny Festisôva amin’ity. Anisan’izany ny fanatanjahantena, satria hisy ny hazakazaka madinika hiainga eny Ambolonkandrina mihazo ny Bibilava, hatreny Andraisoro. Eo koa ny fifaninanana fanorona sy dihy ary fampisehoana hira ara-pilazantsara, ny ma­raina, izay hataon’ireo anto­ko mpihira avy eo Andrai­soro sy ny manodidina. Tafi­ditra hatrany ao anatin’ny lo­hahevitra sy ny fanentanana, dia ny ady amin’ny herisetra sy ny fidorohana zava-mahadomelina izany”, hoy hatrany ny fanazavan’ny tomponandraikitra.
Satria mifandray ny rehetra, ankoatra ny maha “Fetin’ ny Mozika” azy dia hanamarihana ny “Iray volan’ny teny ma­­­lagasy” ihany koa ny “Festisôva”. Hitondra ny anjara birikiny amin’izany ny Fari­bolana Sandratra, hitondra an-tsehatra ireo tantara an’onjampeo voafantina. Fiaraha-miasan’ny Tambohobe sy ny Fikambanana Iarahan’ny re­hetra misitraka na ny first, ny fanatontosana ny hetsika.

Zo ny Aina

Partager sur: