Paikady fampandrosoana : Hazakazaka arahin-tosika amin’ny lafiny rehetra ny ao Toamasina

Ambetitenin’ny Filoham-pirenena ny tsy tokony hisian’ny faritra, disitrika ary kaominina ho hadino sy hilatsaka aoriana, eo amin’ny lafiny fampandrosoana.

Raha mandroso miaraka ireo rehetra ireo, handroso tokoa i Madaga­si­kara. Fanambin’ny fitondram-panjakana ankehitriny izany. Nametraka fifaninanana masina rahateo ny filohan’ny repoblika, Rajoelina Andry, ny hisian’ny tanàna madio izay hifarana hatramin’ny 18 jona ho avy izao. Mazava ho azy fa tsy diso anjara amin’ izany i Toamasina, renivohitra ara-toekaren’ i Madagasikara sady renivohitr’ i Miami, izay taratry ny fisintomana mpizahatany vahiny sy eto an-toerana. Nambaran’ny ben’ny Ta­nà­nan’i Toamasina, Andriafa­no­mezantsoa Alain, fa betsaka ny paikady tsy maintsy hirosoana mba hahatongavana amin’ny tanjona tian’ny filoham-pirenena tratrarina, ary tsy maintsy tanterahina izany. Ny sabotsy 25 mey teo, na­nentana ny isam-pikambanana misy ao an-dRenivohitr’ i Toamasina, ny tomponandraikitry ny tanàna mba hirotsaka an-tsitrapo handray kifafa sy angady hanao asa tagnamaro hanadio lalana sy izay toeram-panariana fako any amin’ity faritra ity. Fikambanana miisa 40 mahery, izay nahavoriana olona hatramin’ny 2 000, no tonga nanohina ny antso. Nanomboka tamin’ny fito ora sy sasany maraina teo ny hetsika, niainga teo anoloan’ny fiangonana Ekar St Paul Mangarivotra, ary nifarana tamin’ny 12 ora atoandro. Halaviran-dalana hatramin’ny 25 km teo no natao, ary tsy niala hatramin’ny farany ireo mpiasam-panjakana sy solontenam-panjakana maro any amin’ity faritra ity.

Tsy raharahan’ny
kaominina irery
Nohamafisin’ny Governo­ram-paritra mpisolo toerana, Rakotovao Andry, fa « tsy raharahan’ny kaominina samirery ny ady amin’ny fanadiovana ny tanàna iombonana. Manana andraikitra lehibe ny faritra Atsinanana ary mandray anjara mivantana sy afaka midina ifotony tahaka ny vahoaka rehetra». Nohamafi­siny rahateo fa fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fifaninana tanàna madio no natao ny sabotsy teo ary tsy hijanona hatreo izany fa hitohy. « Tsy fanadiovana ihany no atao fa hanorina toerana fitsangantsanganana vaovao ihany koa isika ary atao izay hamparevaka azy mba ho ta­nàna maha te honina sy hipetrahana ary hitondra fahasalamana ho an’ny vahoaka izany. Entanina ny rehetra mba samy ho sarotiny », hoy hatrany ny governoram-paritra mpisolo toerana. Tsy izay ihany fa nandray andraikitra mavitrika tamin’ity hetsika fampivoarana ny tanàna ity koa ireo mpino silamo.
Ankilany, efa natomboky ny fikambanan’ny mpanao gazety AJT, ny 26 avrily lasa teo, tamin’ny alalan’ny fanadiovana toerana maitso “Espa­ce vert”, sy fambolena zana-kazo tamina faritra an-drenivohitr’ i Toamasina, izany fanomezana endrika sy fanadiovana ny tanàna izany. Ireto mpanao gazety ireto izay mametraka ny teny filamatra hoe “mpanao gazety miaro totolo iainana no antoka ho fampandrosoana isam-paritra”.

Fanokafan-dalana, endrika fanadiovana hafa
Tsy ny famafana lalana ihany no endriky ny fanadiovana anivon’ny fiarahamonina fa anisan’izany koa ny vokatry ny fanokafan-dalana. Raha
ny fanazavana miainga avy amin’ny ben’ny Tanàna, Andriafanomezantsoa Alain, tiany ny vahoakan’ i Toamasina ka izay no antony hanesorana ireo tokantrano takona sy sarotra ny fampidirana ny fiaran’ny mpamonjy aina. Betsaka ny vokatsoa azo amin’ izany. Voalohany, voaaro sy mora arovana ny tokantrano izay mety hianjadian’ny loza tsy nahy, haintrano, rivodoza, ranobe, ny olona marary tampoka, eo koa ny asan-jiolahy. Ho mora amin’ny fiara mpamonjy voina sy mpitondra marary ary ny fiaran’ny mpitandro ny filaminana ny mivezivezy amin’ny lalampasika raha vao malalaka araka ny refiny ara-dalàna ny lalana. Amin’izay endrika iray izay, anisan’ny nanaovana fidinana ifotony ihany koa ireo lakandrano ahitana fotodrafitrasa eo amboniny. « Tsy ekena ireo ary tsy maintsy esorina », hoy hatrany ny ben’ny Tanàna. Ireo rehetra ireo dia endrika fanadiovana avokoa. Tsy izay ihany, diovina ihany koa ny fitaterana an-drenivohitra. Tsy ekena intsony ny posy sy bajaj tsy manara-dalàna. Tsy maintsy mandoa hetra, ary izay manana « vignette Licences » anatin’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina ihany no afaka mivezivezy ao an-drenivohitr’i Toamasina.
« Misy fetra omen’ny kaominina ary ny mpifanolobodirindrina dia samy manana ny fomba fidiram-bolany », hoy hatrany ny ben’ny Tanàna. Vokany, manao tsy homby aloha, matahotra ny tsy ho afaka hiasa ireo tompony sy ny mpitondra posy etsy amin’ny sampana teknika misahana ny fikirakirana ny antontan-taratasina posy sy bajaj mba hanara-dalàna. Nohamafisiny ihany fa singa iray hanehoana ny fahadiovan’ny tanàna iray ny filaminan’ny fifamoivoizana an-drenivohitra. Raha ny momba ny kaominina manokana, efa anatin’ny fidirana amin’ny fanadiovana ny ao anatin’ny kaominina ny ben’ny Tanàna. Ankehitriny, manamarina izany ny fametraham-piaraha-miasa amin’ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly, Bianco. Raha tsorina, kaominina nanjakan’ny kolikoly i Toamasina  nandritra ny fitantanana teo aloha, izay porofoin’ny hamaroan’ny mpiasa efa voaantso eo anivon’ny Pac any an-drenivohitra. Tsy vitan’ny kolikoly, fa teo ihany koa ny fahadisoana tsipelina maro teo amin’ny sora-piakohonana. Mifanindran-dalana ny tanjon’ny governoram-paritra mpisolo toerana sy ben’ny Tanàna ny hametrahana an’ i Toamasina hisalotra ny ho voalohany amin’ny tanàna madio. Etsy andaniny rahateo, ny maha renivohitra ara-toekaren’ i Madagasikara azy.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: