Petite vitesse: Tsena telo hotohoton’ny afo, omaly

Niredareda ny afo tetsy amin’ny tsenan’ny Petite Vi­tes­se, omaly hariva tamin’ny 6 ora latsaka fahefany. May ki­lan’ny afo sy tsy nisy azo no­raisina ny entana tao anatin’ ireo tsena lasibatra, raha ny zava-nisy teny an-toerana. Ma­nodidina ny telo: Box 371, 372, 373, ireo tsena may, nandritra izany. Mahatratra an-tapitrisany maro ny fitambaran’ny entana simba sy may tao, raha ny fanazavana voaray. Nisy tamin’ireo ny mivarotra entana lafo vidy, toy ny amplie, baffle, dvd portable, écran plat sy ny entana maro samihafa. Tonga teny an-toerana namono ny afo ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina, 10 minitra taorian’ny tranga, araka ny fanazavan’ny olona nanatri-maso. Naharitra adiny iray mahery teo ny famonoana ny afo. Vaofehy sy maty tanteraka ny afo tamin’ny 7 ora hariva tany ho any.
Niainga tao amin’ny tsena iray ny afo
“Raha ny fantatra, niainga avy tao amin’ny tsena iray ny afo ary niparitaka haingana izany noho ny maha trano vy ireo tsena”, hoy ny mpiambina ny tsena, Randrianasolo Nomenjanahary Navalona. “Tsy misy prise tao anatin’io tsena nihavian’ny afo io, rehefa nojerena sy nohamarinina”, hoy ihany izy. Fanaovana soudure nataon’olo-tsy fantatra na­nakaiky ny tsena ny antony na­hatonga ny firehetana, raha ny tatitra voaray. Tonga teny an-toerana ny avy amin’ny polisy monisipaly, ny polisy nasionaly, ary ny zandarimaria.

Mino

Partager sur: